Matin’ny herinaratra ny lehilahy iray nikasa hangalatra tao amin’ny tanànan’i Amboanara, Nosy Be Hell Ville, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 febroary teo. Niditra antsokosoko ka nikasa hanokatra ny toerana misy ny akoho an’ny tompon-trano ity farany. Tsy fantatr’io mpangalatra io fa misy herinaratra ilay tranon’akoho, kanjo natsipin’ny tanjaky […]
Tranga
Nanapa-doha mpandraharaha: tratra ireo roa lahy nokaramaina 10 tapitrisa Ar
Hatolotra ny fampanoavana anio ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana tao Tsararano Maevatanana. Hita tao anatin’ny findain’ilay mpandraharaha fa izy roa lahy no namono azy rehefa nokaramaina 10 tapitrisa Ar. Olona roa hafa indray voasambotra ka hiakatra fampanoavana anio, momba ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsararano, […]
Toamasina : tratra ilay tovolahy nangalatra 42 tapitrisa Ar
Tovolahy 17 taona nangalatra vola, voasambotry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Toamasina, afakomaly. Nalainy antsokosoko ny vola mitentina 42 tapitrisa Ar. Nitsoaka izy nanomboka ny 8 febroary teo ka namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana. Nitady azy avokoa ny manodidina sy ny mpifanerasera taminy. Tsikaritry ny olon-tsotra […]
Fanafihana mpivarotra: jiolahy iray voasambotra
Tratra ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivarotra tao Ambolomadinika, Toamasina, ny 14 febroary teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ity jiolahy ity sy ny namany, ny talata teo tamin’ny 9 ora alina. Nitondra antsilava sy fitaovam-piadiana izy ireo. Norobain’izy ireo ny poketra teny amin’ilay ramatoa . Tazan’ny fokonolona […]
Namono ny zanak’anabaviny : enina mianaka nidoboka am-ponja
Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, naiditra am-ponja ireo eni-mianaka anaty fianakaviana iray nahavanon-doza. Vehivavy ny roa tamin’ireo efatra notazonina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fihainoana am-bava an’izy ireo teny anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, tao Antalaha, omaly. “Ady lova no nitarika ny vono olona nataon’ireo olona […]