Tranga

Toamasina: Notriarin-dramatoa zava-maranitra ny vadiny

Norasain-dramatoa tamin’ny zava-maranitra « lame » ny vadiny tao Ankirihiry, parisela 11/58, kaominina Toamasina, ny 12 jona teo. Tsy nanana sigara ho fohana, nangataka tamin’ny ramatoa vadiny hitsoriaka hividy any an-tsenakely io lehilahy io. Nifanena tamin’ny namany anefa izy ka tafaraka nisotrosotro. Nilaza ho tsy manam-bola io lehilahy io saingy tsy nanaiky […]

Fahapoizinana tamin’ny sakafo: Tanora vao erotrerony 12 mianadahy niara-maty

Tanora miisa 12 no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny Ambohimangakely. Mbola misy 13 mianadahy anaty fahasarotana hatramin’ny fotoana nanoratanay. Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina halina, 12 no namoy ny ainy tamin’ilay fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohiman­gakely, ny alin’ny sabotsy. Maty tao […]

Notsatohana tamin’ny hety: Tomponantoka ny raikelin’ny zaza lasibatra

Voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambo­hi­malaza, afakomaly, ny ray aman-drenin’ilay zaza menavava notsatohana hety teo amin’ny tendany, ny zoma lasa teo. Tratra teny Ambohi­ma­laza ilay renim-pianaka­viana, raha toa ka teny An­dranovao, kaominina Ambohimangakely, ilay raim-pianakaviana, raikely, fa nanoratra ny anarany tao anaty kopian’ny zaza. Bevo­hoka fito volana ny renin’ilay zaza […]

Ambodimita : Vehivavy 71 taona nahatrarana vola sandoka

Vaviantitra 71 taona nahatraran’ny polisim-pirenena vola sandoka teny Ambodimita, boriborintany fahenina, ny alakamisy 12 jona teo. Mitety tsena, mody mividy zavatra no fomban’ireo olon-dratsy manaparitaka io vola sandoka io. Niandry andro ho maizimaizina, nilaza hametraka vola mite­tina 320 000 Ar ho ao anaty findainy teo amin’ny Cash point iray io ramatoa […]

Olona telo hatolotra ny fampanoavana : Lehilahy notrobatrobarana tamin’ny zava-maranitra

Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka. Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany […]