Tranga

By-pass : mpitondra moto maty notetezin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray teny By-pass mihazo an’Iavoloha, omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Nikasa hianatsimo ilay mpitondra moto. Nifanojo tamin’ny mpitondra bisikileta iray avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito izy. Samy tao anatin’ny hafainganam-pandeha, niala tampoka io bisikileta nifanitsy taminy io ilay lehilahy nitaingina moto. […]

Halatra omby: dahalo roa lahy voasambotra

Saron’ny mpitandro filaminana ireo dahalo roa lahy nitam-basy nangalatra omby tao Ankililaoka, Toliara, afakomaly. Nentin’izy roa lahy ireo nandositra ny omby roa. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana alina ireo dahalo. Raikitra ny fisamborana. Noraisim-potsiny ny fitaovam-piadiana teny aminy sy ny bala fampiasany. Nogiazana ireo omby halatra roa ka naiditra am-balam-pamonjana. […]

Nanafika fiara nitondra vola : jiolahy 3 naiditra eny Tsiafahy

Nanaovan’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava fanadihadiana lalina, tratra avokoa ary naiditra eny Tsiafahy ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Anjohy, ny sabotsy 10 febroary teo. Vehivavy ny iray amin’ireo olona efatra voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny fanafihana fiara iray nitondra vola teny Anjohy, fiantombohan’ny volana febroary teo. Norobain’ireo olon-dratsy […]

Maintirano : lavon’ny bala i Tanory

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka tao anaty sasak’alina ny dahalo mpangalatra omby iray. Naka omby antsokosoko tao anaty vala, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny fokontany Manapape, kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano, afakomaly alina. Nigadona tao amin’io tanàna io ireo dahalo ireo tamin’ny misasak’alina. […]

Ambohijanaka : mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny lehilahy 18 taona mpamaky trano tao Amboniakon­dro, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana io tontakely io ka nibata ny volany sy izay ni­fanandrify taminy. Nitsai­tsaika nivoaka moramora izy nitondra ny entana halatra. Tsika­ritry ny manodidina anefa io mpangalatra io. Nifanenjehan’ ny […]