Ain’olona miisa roa indray nafoy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambodivoanjo, kaominina ambanivohitra Tsarajomoka, distrikan’ i Mandritsara, afakomaly. Nitatitra vokatra avy any ambanivohitra ny traktera iray. Nifanena tamin’ny mpanadalo. Voafaokan’ilay traktera tampoka ity farany. Notetezin’ny kodiarana aoriana ka namoy ny ainy. Tsy nijanona anefa ny mpamily io fitaovam-pitaterana […]
Tranga
Fanafihana : Lavon’ny balan’ny zandary i Sababaka
Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Ambohitoaka, Ambalavy, omaly maraina tamin’ny 3 ora, ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Sababaka. Tratra tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra an’i Bekitoto, kaominina Ambohitoaka, izy. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary fa misy dahalo mampihorohoro ny mponina […]
Kaominina Ambohimanambola : Efa-dahy nahatrarana vola sandoka 2 tapitrisa Ar
Hiakatra fampanoavana anio ireo olona efatra nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao Ambohimanambola. Lehilahy efatra nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola, fokontany Ambohipeno, ny alarobia 11 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana olona mitety tsena manaparitaka vola sandoka. “Mody mividy zavatra amin’ny tsenakely ireo telo lahy”, hoy […]
Nampiasa zava-maranitra : Lehilahy namono olona notanana am-ponja
Notanana am-ponja taorian’ny fitsarana azy afakomaly, ny lehilahy namono olona tao amin’ny kaominina Andovoranto, distrikan’i Brickaville. Nokapakapain’io lehilahy nahavanon-doza io tamin’ny antsy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray 70 taona. Avy naka fary tany an-tsaha ity farany, ny 21 mey lasa teo tamin’ny 1 ora atoandro, nifanena izy roa lahy […]
Fanendahana sy famakiana trano : Tovolahy fito voasambotry ny polisy
Tovolahy miisa fito voasambotry ny polisy avy amin’ny kaomisaria foibe Mahajanga tamin’ity herinandro ity. Tratra nanendaka sy namaky trano avokoa izy rehetra ireo. Afakomaly tamin’ny 4 ora maraina, lehilahy telo mpanendaka sarona. Nentina teny anivon’ny biraon’ny kaomisaria izy ireo ary niaiky ny heloka nataony. Tonga nitory teny anivon’ny polisim-pirenena kaomisaria […]




