Tranga

Nodomin’ny fiara : Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina Ampi­tatafika, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, lalam-pirenena fahafito, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Fiara kely iray, marika Daihatsu, no ni­faoka mpitondra bisikileta iray. Avy aty Antananarivo, handeha hianatsimo io niavian’ny loza io, raha ny tatitra voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ilay rangahy noho ny […]

Doro tanety : Trano 75 tafo kilan’ny afo

Kilan’ny afo tanteraka ny trano manodidina ny 75 tafo any amin’ny fokontany Ankadimena, kaominina Fierenana, disitrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly alina. May tao avokoa ny biby fiompy rehetra, ny vola tahiry, ny vary, hatramin’ny entana rehetra tao anatiny, raha ny tatitra voaray. Levon’ny afo ary lasa lavenonana avokoa ny trano sy ny […]

Fandrobana tetsy Ankazomanga : Hotely very 144 tapitrisa Ar, sy 12 230 Dolara mahery

Voaroba ny hotely iray, omaly maraina, tetsy Ankazomanga. Tsy lasa lavitra fa voasambotra ny efa-dahy. Mbola nahatrarana 144 tapitrisa Ariary sy 12 230 Dolara ny iray. Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny trano fandraisam-bahiny iray etsy Ankazomanga, omaly maraina. Norobain’izy ireo, tamin’izany, ny vola re­hetra. Lasa nitsoaka avy ha­trany ny olon-dratsy rehefa […]

Fanafihana mitam-piadiana: Maty voatifitra i Voambàna Ndremory

Araka ny efa notaterina teto matetika, itrangana fanafi­hana mitam-piadiana ny fokontany maro ao Toamasina, toy ny ao Depôt fahefatra sy ny ao Tanamakoa. Tamin’ity farany rahateo no nahitana tokantranona mpanao gazety voatafika sy voaromba fitaovana maro, tsy ela akory izay. Araka izany, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo, nirefodrefotra […]

Fikasana hanafika : Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina ny jiolahy roa, nikasa hanao fanafihana mi­tam-piadiana tany Toamasina. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny polisy fa misy andian-dehilahy mikasa sy mikononkonona hanao asa ratsy tao Tanamakoa. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo taorian’ny antso. Nifanehatra tamin’ny […]