Maty nihantona tao an-tranony i Marinah, vehivavy 20 taona, afakomaly maraina. Ahina ho namono tena noho ny famoizam-po izy. Nifatotra tady teo amin’ny tendany. Hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany ny tovovavy iray 20 taona, omaly. Monina ao Tsararano ambany, Mahajanga izy. Vao afaka bakalorea ny taon-dasa, araka ny […]
Tranga
Ambohimanarina : lehilahy maty voadonan’ny kamiao
Mitohy ny fanadihadiana ny mpamilin’ilay kamiaobe nandona olona ka nitarika fahafatesana lehilahy iray teny Ambohimanarina, afakomaly. Lehilahy iray 24 taona no nofaohin’ny kamiaobe teo Ambohimanarina, tamin’io fotoana io. Naratra noho ny dona mafy nahazo azy ity lehilahy ity ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana eny Anosivavaka. Nafindra tao amin’ny hopitaly HJRA […]
Fandrobana: tovolahy kilasy famaranana voakapa famaky
Naratra mafy, voakapa famaky ny tovolahy iray tao Antanantsara, Port Bergé, ny 3 febroary teo. Kilasy famaranana ao amin’ny liseam-panjakana ao an-toerana izy. Nikasa hihazo ny kaominina Leanja, fiaviany izy no lasibatra. Tafara-dalana tamin’ny lehilahy iray teny an-dalana. Nivily nisotro rano tany amin’io olon-tsy fantatra io rehefa niala ny lakana […]
Fanolanana : roa lahy voasambotra
Lahiantitra 62 taona voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ankiririky Avaratra, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nanolana zazavavy vao 15 taona monja io tsivalahara io. Nentiny tao an-trano ilay ankizivavy ka nokasainy hanamparana ny filan-dratsiny. Niverina tampoka anefa ramatoa vadin’io lehilahy io ka tratra ny fikasan-dratsiny. Nosamborin’ny fokonolona ilay lahiantitra ary natolotra ny […]
Nahantona tamin’ny tady : ahina novonoin-drainy i Andriano
Ny rainy ihany no ahina ho tompon’antoka nahafaty an’i Andriano, zazalahy kely vao 5 taona, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Mangana ny vatany, nohosena tamin’ny kiraro, nahantona tamin’ny tady ny tendany. Maty nisy namono tao an-tranon’ny renibeny, i Andriano, zazalahy kely vao dimy taona, ny sabotsy tolakandro. Nivoaka nividy zavatra […]