Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy namono nahafaty ny renim-pianakaviana iray tao Befanihy, fokontany Ambatofotsibe, kaominina Kiranomena, omaly. Nitrangana vonoan’olona nahatsiravina tao amin’io tanàna io, ny 2 jona tamin’ny 2 ora maraina. Noratraratrain’ny lehilahy iray teo amin’ny tavany sy ny faritry ny lohany ilay ramatoa 32 taona. Potika tanteraka ny endriky […]
Tranga
Ankadikely-Ilafy : Mpangalatra moto naiditra am-ponja
Noraisim-potsiny! Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Andombotany, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 4 jona teo, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Nahatsikaritra tranga hafahafa ny mponina teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny zandary. Telo lahy voalaza fa nanosika moto tao anatin’ny haizina, nifanenjehan’ny zandary. Tafaporitsaka ny roa […]
Matory an-tsena noho ny fitadiavana : Renim-pianakaviana hita faty tetsy Mahavoky
Renim-pianakaviana iray, mpivarotra legioma, hita faty omaly, tetsy Mahavoky. Tsy nahitana ratra ny razana, raha voalaza fa maty nisy nanindrona antsy. Mivarotra sy matory an-tsena noho ny halaviran’ny toerana honenany. Hita faty manakaiky ny fokontany Mahavoky Besarety, omaly maraina tamin’ny 05 ora latsaka fahefany, ny renim-pianakaviana iray, 47 taona. Niparitaka […]
Ankadindramamy : Taxi-be 147 sy taxi nifampitrongy
Potika tanteraka ny lohan’ny taxi iray nifandona tamin’ny taxi-be 147 tetsy Ankadindramamy akaikin’ny tobin-dasantsy, omaly maraina. Nikasa hidina avy any amin’ny lalana mizotra mankany Mahazo ilay fiara kely. Nivoaka avy amin’ny toerana misy ny tobin-tsolika ilay taxi-be, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nifandefitra ny mpamily roa tonta. Nifandona avy hatrany […]
Voafitaka tany Cameroun : Hody an-tanindrazana anio ireo Malagasy
Nigadona eto Madagasikara, androany tamin’ny 2 ora maraina, ireo Malagasy miisa sivy notanana an-keriny tany Cameroun nandritra ny volana maro. Niainga tany amin’ity firenena ity izy ireo, afakomaly, ary izao tonga eto an-tanindrazana izao. Voafitaka tamin’ny asa hitany tao amin’ny tambajotran-tserasera ary notanana an-keriny tany izy rehetra ireo. Anisan’ny nandrisika […]




