Tranga

Haintrano sy haintany : Orinasa iray ravan’ny afo inefatra miantoana

Miditra amin’ny maintany ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara. Mahazo vahana sahady ny haintrano sy ny doro tanety. Tranga nampihoron-koditra, omaly, tao Toamasina, orinasa lehibe no inefatra ravan’ny afo hatramin’ny 2019. Nahazo antso mahakasika firehetana ny vondrona mpamonjy voinan’ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, tamin’ny 03 ora maraina. Tonga teny an-toerana avy hatrany […]

Tsenan’Anosibe : Lehilahy roa tratra nandroba mpivarotra

Voasambotry ny mpiambina sy ny fokonolona tetsy amin’ny Tsenan’Anosibe, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, ny jiolahy roa. Nanafika toeram-pivarotana iray teny an-toerana ny lehilahy telo tsy nisaron-tava sy nirongo basy. Namba­nan’izy ireo tamin’ny basy ilay mpivarotra ary nitaky ny vola rehetra tao amin’io fivarotana io izy ireo. Niantso vonjy sy […]

Fikasana hangala-bary : Namono tena tamin’ ny poizim-boalavo ilay mpiambina

Maty namono tena tamin’ny poizim-boalavo, ny talata lasa teo, ny lehilahy iray 23 taona. Mpiambina trano fitehirizam-bokatra iray eny Fonenana, kaominina Imerintsiatosika, distri­kan’Arivonimamo izy io. Nikasa hangalatra vary akotry tao amin’io toerana nandrasany io izy. Efa nitondra fiara hitaterana ireo vokatra saingy nampandre ny tomponandraikitra ny mpamilin’ny fiara. Naharay antso […]

Fikasihan-tanana vehivavy bevohoka : Naiditra vonjimaika am-ponja ilay ben’ny Tanàna

Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Feno­arivo Atsinanana, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antsiatsiaka, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Ran­driamanana Jean Fidel, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanaovana teny anivon’ny fitsarana. Naharitra ora maro ny fihainoana ny niharam-boina sy ny vavolombelona ary ny fitanana an-tsoratra ilay voarohirohy sy ireo mpiara-dia aminy. Vesatra anenjehana azy ny […]