Raim-pianakaviana iray sy ny zanany roa lahy namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Antsatramidola, omaly. Rahalahiny no nahavanon-doza. Zazalahy 4 taona, 6 taona ary ny rainy niara-maty voakapakapan’ny antsy tao Mahambolona, kaominina Antsatramidola, distrikan’i Mandritsara, omaly maraina. Nifamaly tamin’ny rainy ny lehilahy iray noho ny resaka lova, araka ny loharanom-baovao. […]
Tranga
RN7: Miverina miaina anaty tebiteby ireo mpandeha
Vaky ny fitaratry ny taksiborosy iray mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, vokatry ny asan-dahalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma 30 mey. Nosakanan’ny andian-dahalo am-polony tamin’ny alalan’ny vato sy hazo teo amin’ny 10 km tsy hidirana ny kaominina Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, io fiara io. “Nahare horakoraka sady […]
Tsy hita roa herinandro : Ramatoa hita faty tanaty lavaka
Renim-pianakaviana 47 taona hita faty tao anaty lavaka mirefy 20 m tao amin’ny fokontany Memangoraka, kaominina Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny 27 mey teo. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany ao an-toerana ny zandarimaria momba ny fisiana fatin’olona hita. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny CSB II ao Mangatany sy […]
Voalaza ho mpangalatra : Lehilahy matin’ny mpianatr’Ankatso II
Niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny faritry ny trano fonenan’ny mpianatra Ankatso II ny lehilahy iray. Nikasa hangalatra sy hanao sinto-mahery izy sy ny namany efatra hafa saingy tratran’ny olona. Tavela teo amin’ny kianja fanaovana basikety teny an-toerana ny razana omaly maraim-be. Lehilahy manodidina ny 25 taona, hita faty teo amin’ny kianja […]
Tratry ny « caméra de surveillance » : Ankizilahy 12 taona nandoro kidoro 30 isa
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny ankizilahy 12 taona nandoro kidoro am-polony tao Ampasambazaha, kaominina Fianarantsoa. Nitrangana fahamazaina tampoka tao amin’ny toeram-pivarotana kidoro iray tao an-toerana, ny alahady 25 mey teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Nirehitra tampoka ny kidoro namidin’ny tompon-tsena. Nalaky azon’ny afo ireo entana ireo ka niteraka fatiantoka […]




