Tranga

Ambohipo : Roa lahy voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena omaly maraina, teny Ambohipo, ny lehilahy roa mpanao hala-boty. Nifanehitra tamin’ny lehilahy anankiroa izay mirongo entana tamin’ny gony ny polisy. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto roa lahy ka nosavaina. Nahitana entana halatra maro samihafa, toy ny kojakojana an-tokantrano, kiraro sy ny maro hafa, teny amin’izy ireo. Fantatra fa vao […]

4X4 nifandona tamin’ny moto: raim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy, ny sabotsy tolakandro teo. Nipitika teny ambony moto nentiny izy. Fandehanana mafy sy tsy fitandremana avy amin’ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana no nitarika ny lozam-pifamovoizana namoizana ain’olona tao Ambohi­bao, fokontany Tamoronala Fi­raisana, kaominina Soavi­nan­driana, distrikan’Itasy, ny sa­botsy […]

Fanolanana ankizy : Tovolahy 16 taona nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny alarobia lasa teo, ny tovolahy 16 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana. Nanolana ankizivavy kely vao enin-taona monja teny amin’ny fokontany Mo­rarano, kaominina Andohara­nofotsy, izy. Niharan’ny fanolanana niverimberina tany amin’ny fitombenany io ankizy io. Nanomboka ny 20 aogositra lasa teo no niaina […]

Fanafihana ao amin’ny disitrikan’Avaradrano : Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy miisa enina

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny jiolahy enina rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, omaly. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny vehivavy iray hafa, niray tsikombakomba tamin’izy ireo. Misesisesy ny fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny disitrikan’Ava­radrano tato ho ato. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana ireto andian-jiolahy […]