Raim-pianakaviana, 51 taona, hita faty tao amin’ny lavapiringa, tany amin’ny tanàna Maritampona, fokontany Amparihitany, kaominina Kiranomena, ny alin’ny 2 jona 2025 lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nitondra basy vita gasy iray izy ary voatifitr’izany ka maty tao. Niditra teo ambavafony ny bala ka nitarika ny fahafatesany. Nivoaka namonjy […]
Tranga
Norasarasainy ny vadiny : Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza
Tratran’ny mpitandro filaminana ny lehilahy namono nahafaty ny vadiny tao amin’ ny kaominina Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Efa manana zanaka roa tamin’ny vadiny teo aloha io lehilahy io saingy tsy mbola nifampiteraka izy sy ilay vadiny vaovao. Nangataka vola tamin’ny vadiny vaovao ilay lehilahy, izay nilaza fa marary ny […]
Telo mianaka voatsatoka antsy: Nodoran’ny fokonolona ilay nahavanon-doza
Voasambotry ny fokonolona, namoy ny ainy niharan’ ny fitsaram-bahoaka ary nodorana, omaly hariva, tamin’ ny 05 ora sy 45 minitra, ilay lehilahy namono nahafaty ny rahalahiny sy ny zaza roa, tao amin’ny kaominina Antsatramidola, distrikan’i Mandritsara. Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana sy ny vatan-dehilahy tao an-tanàna nanomboka ny alahady 1 jona teo […]
Nahazo 40 tapitrisa Ar : Olona enina voasambotra
Nanao fisolokiana nandritra ny fito taona, enina mianadahy mianaka voasambotry ny polisy tao Antsirabe, ny 30 mey teo. Nitrangana fisolokiana tao Andranomaimbo-Antsirabe, ny volana febroary teo. Nanipazan’ireo olon-dratsy vola 100 Ar madio be niampy vovo-bolamena nifono anaty harona plastika ny vehivavy iray. Mody nilaza ho niara-nahita tamin’ilay mpandalo ny mpisoloky […]
Lehilahy nofatoran’ny loka : Nosolokiany ny 93 tapitrisa Ariary, an’ny mpampiasa azy
Voasambotry ny polisy tetsy Ivato, omaly, ny lehilahy iray tratra nisoloky sy nandany ny volan’ny mpampiasa azy mitentina 93 tapitrisa ariary tamin’ny filokana. Voasambotry ny polisin’ ny Cybercriminalité Anosy omaly, tetsy Ivato, ny lehilahy iray 23 taona, voarohirohy ho nandany sy nisoloky vola mitentina 93 tapitrisa Ariary, an’ny mpampiasa azy. […]




