Naiditra am-ponja ilay lehilahy mpisoloky voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Olona miisa efatra nametraka fitoriana noho ny fisandohana nataon’io lehilahy io. Nilaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa Jirama izy. Mody miantso olona amin’ny alalan’ny telefaonina. Miresaka mombamomba azy amin’ilay olona ho solokiana izay tsy lavitra azy aorian’izay. Noreseny […]
Tranga
Asa ratsy eto Antananarivo : Lehilahy roa tratra nangalatra sy namaky trano
Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangalarana sy famakiana trano teto an-drenivohitra, afakomaly. Nikasa hangalatra moto tetsy Tsimbazaza ny iray, namaky trano tetsy Ambodihady kosa ny faharoa. Mbola mitohy hatrany ny asa ratsy fangalarana sy famakiana trano ataon’ny olon-dratsy eto Antananarivo, na dia efa maro aza ny ezaka ataon’ny mpitandro […]
Fetin’ny fahaleovantena: Hiavaka ny fankalazana
Tsy hitovy amin’ny mahazatra isan-taona fa hiavaka tanteraka ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena 2025. Maro ny hetsika iarahan’ny governemanta manantateraka manerana ny Nosy. “Ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena dia hatao eny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely, amin’ny 2 jona ho […]
Vatomandry : Lavon’ny balan’ny polisy Ravoalavo
Maty voatifitry ny polisim-pirenena avy ao Vatomandry, omaly maraina, ny jiolahy iray 31 taona, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ravoalavo. Efa ela nokarohina noho ny halatra sy fikambanan-jiolahy ity olon-dratsy ity ka izao tratra sy lavon’ny bala izao. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alatsinainy lasa teo izy ary notanana teny anivon’ny […]
Teo an-tokotanim-piangonana : Hita tany anaty ala ilay moto nisy nangalatra
Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa […]




