Tranga

Nandriaka ny ra teny By-Pass : mpitondra moto maty voahitsaky ny kamiaobe

Mampihoron-koditra ! Nitrangana lozam-piarakodia indray teny By-Pass, ny alarobia teo. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona nitondra moto no maty voahi­tsaky ny kamiaobe. Nandriaka tamin’ny arabe ny ra. Vaky ny lohany, nipotsaka ny tsinainy. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, nisongona fiara teo aloha ity raim-pianakaviana mpitondra moto […]

Fanafihan-jiolahy: mpianaka lasan’ ny mpaka an-keriny

Nentin’ny jiolahy nitam-piadiana ny vehivavy sy zaza manodidina ny 12 taona tao amin’ny fokontany Ampasimandroro, kaominina Maintirano, faritra Melaky, ny alin’ny talata 09 avrily teo tamin’ny 11 ora sy sasany. Jiolahy manodidina ny folo lahy no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao tapon-tanàna. Nitondra zava-maranitra toy ny antsy, nanambana […]

Fifandonana tamin’ny mpaka an-keriny : miaramila roa naratra, dahalo roa maty

Nifanehatra tamin’ny zandary indray ny andian-dahalo tao Ankazobe, afakomaly. Miaramila roa naratra ary dahalo roa kosa no maty. Dahalo 20 lahy eo ho eo notarihin’i Leba sy i Sa­fi­dy no nifandona tamin’ ny zandary tao amin’ny fokontany Antaniditra kaominina Antakavana distrikan’Anka­zo­be, afakomaly maraina. Fantatra fa isan’ireo dahalo raindahiny amin’ny fakana […]

Fifandonana mahery vaika : dahalo telo lavo, omby 50 tafaverina

Nirefodrefotra ny basy! Dahalo telo maty ary telo naratra vokatry ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny kaominina Mahabe, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nana­fika tao amin’ny fokontany Andabozato ny dahalo 40 lahy nitam-piadiana. Norobain’izy ireo ny omby 50 ka nentiny nandositra. Nanara-dia nanao izay ho afany nanenjika ireo mpandroba ny fokonolona sy […]

Itaosy: vehivavy roa nahatrarana rongony

Mpivarotra rongony roa vavy nosamborin’ny polisy teny Itaosy nandritra ny hetsika “Sarika”, ny faran’ny herinandro teo. Nanao be midina ny polisy ka sarona teo am-pikirakirana zava-mahadomelina izy roa ireo. Efa nataony anaty fonosana 42 ny rongony. Ankoatra io, nahatrarana rongony tao anaty harona miisa telo koa tao amin’izy mirahavavy ireo. […]