Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra. Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho […]
Tranga
Vonoan’ olona tao Ambodiriana: Lehilahy voaheloka mandra-pahafaty
Voasazy higadra mandra-pahafaty, taorian’ny fitsarana azy, tao Toamasina, ny 26 avrily teo, ny lehilahy iray. Niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vonoan’olona tao Ambodiriana nahavoarohirohy an’ io lehilahy io. Nandritra ny fifandaharana teo amin’ny mpitsara, mpampanoa lalana sy ny voampanga ary ny mpitory, niezaka […]
Morarano Antongona : Fasana 3 indray vaky
Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny kaominina Morarano Antongona, distrika Arivonimamo. Fasana miisa telo no indray nisy namaky, ny alin’ny zoma 23 mey teo. Lasan’ireo jiolahy ny taolambalo rehetra tao amin’ny voalohany, afa-tsy ny razana telo mbola tsy maina tsara. Razana iray ihany koa sisa no tsy lasan’ireo tsy mataho-tody […]
Nanindrona antsy in-13: Lehilahy voasambotra tetsy Ampitatafika
Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandrimaria Ampitatafika, ilay lehilahy nanindroana antsy ny sakaizany teo aloha, ny zoma 23 mey tolakandro teo. “Naharay loharanom-baovao izahay zandary eto an-toerana fa mihaodihaody ety io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny tobim-paritra Ampitatafika. Nidina ifotony tamin’ny toerana voalaza ho nisitrihan’io lehilahy namoahan’ny polisy […]
Tsaralalàna : Lehilahy 66 taona namoy ny ainy
Nitsirara tamin’ny tany, tsy niverina intsony ny ain’ny raim-pianakaviana iray 66 taona tetsy Tsaralalàna, omaly tolakandro. Nitambotsotra tampoka io lehilahy lehibe io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina. Namoy ny ainy anefa izy. Nahitana karapanondrom-pirenena teny amin’ io tra-doza io. Mponina avy any Ambatondrazaka izy, raha ny voalaza […]




