Tra-tehaky ny polisim-pirenena etsy Analamahitsy Cité, afakomaly tamin’ny 2 ora atoandro, ny mpanampy vavy iray sy lehilahy iray hafa namany. Voasambotra noho ny halatra sy fandraisana entana tsy ara-dalàna ka antony nisamborana ireto farany. Avy nangalatra entana tao amin’ny tokantrano iray niasany, teny an-toerana, ity tovovavy mpiasa an-trano ity. Tonga […]
Tranga
Avy ao amin’ny mpitsabo : Lehilahy maty tampoka teny an-dalana
Lehilahy 35 taona namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Mandritsara Renivohitra, omaly tolakandro, tamin’ny 4 ora sy sasany. Azon’ny tsy fahasalamana io lehilahy io. “Efa taizan’aretina izy ary tsy salama matetika”, hoy ny loharanom-baovao. Nandeha nanaraka fitsaboana teny anivon’ny mpitsabo io lehilahy tsy salama io, omaly. Nianjera tampoka tamin’ny arabe […]
Notafihan’ny jiolahy : Ramatoa 70 taona hita faty notapahan-doha
Renim-pianakaviana iray hita faty rehefa nentin’ny jiolahy ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao Antsirabe II, afakomaly. Notapahan’ireo tsy valahara ny lohan’ny renim-pianakaviana iray 70 taona, tao amin’ny fokontany Vohikely, kaominina Sohandrariny, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny alahady 01 jona teo. Jiolahy 15 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io ramatoa io, tamin’ny […]
Jiolahy mpamerin-keloka: Lavon’ny balan’ny Zandary i Lekoera
Lavon’ny balan’ny zandary tany Antonibe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera. Voatifitry ny mpitandro filaminana tany Fiadanana Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Bemaitso Andilamena, an-dalana hanoro ny misy ireo namany, izy io, rehefa nikasa handositra. Voasambotra tany Antsamala fokontany sy kaominina Antonibe ity olon-dratsy ity, ny […]
Anosibe : Jiolahy telo maty voatifitry ny SAG
Nandriaka ny ra, nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, ny zoma teo, tamin’ny 2 ora maraina. Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Service anti-gang (SAG) tamin’izany. Mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo, izay mbola nanao fanamiana maha mpitandro filaminana azy. Nahitana fitaovam-piadiana toy ny basy roa tany amin’izy ireo, rehefa […]




