Tranga

Fahatapahan-drano lavareny : mitroatra ny mponina!

Mampiaka-peo sy maneho ny hatezerany ny mponina eto an-dRenivohitra noho ny fahatapahan-drano tsy ahitam-bahaolana. Misy ny midina an-dalambe sy mandoro kodiarana. Miitatra isaky ny fokontany, naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny rano ny mponin’Antananarivo Reni­vohitra. Nanakan-dalana, nitsoka kiririoka ny fokonolona tetsy Ambohijatovo-Ivandry, omaly. Nidina an-dalambe, nisintona lakolosy manoloana […]

Vohitsarahasina: omby tsy ara-dalàna tratra

Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina ny olona nitondra omby tsy nisy taratasy ny alin’ny 28 marsa 2024, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Fiaraha-miasa teo amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina no nahazoana izao vokatra izao. Nilaza ireo andrimasom-pokonolona fa misy olona mitondra omby mihazakazaka mihani-bohitra ao […]

Nandroba 6 tapitrisa Ar: jiolahy enina maty voatifitra

Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, jiolahy enin-dahy maty nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny kaominina Morafeno, afakomaly. Nibaboka sy nitolo-batana ny vehivavy namany. Namoy ny ainy nandritra ny fisamborana azy ny jiolahy enin-dahy nandroba vola mitetina 6 000 000 Ar tao amin’ny fokontany Mamoeramanjaka, kaominina Morafeno, distrika Arivoni­mamo, ny harivan’ny alarobia […]

Gare Maki : Tratra ny rongony 33 kg

Noraisim-potsiny ! Saron’ny zandary teo Ampanotokana RN4, afakomaly, ny taksiborosy iray nitondra rongony natao colis. Nanatontosa fisavana entana ireo zandary tamin’io fotoana io ka tratra tao ambany seza ity fonosan’entana mampiahiahy ity. Niroso tamin’ny fisavana ny entana ireo zandary ka voamarina nandritra izany fa rongony tsara fono milanja 33 kg izany. […]