Avotra teo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny ny ankizivavy, dimy taona. Nangataka vola mitentina 150 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy. Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohimandroso ireto farany. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fakana an-keriny ankizivavy kely 5 taona tany Ambohimandroso Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro lasa […]
Tranga
Ambatoboeny : Rongony 24 kg saron’ny zandary
Natsipin’olona nampiahiahy avy hatrany ny rongony tamin’ ny gony nentiny rehefa nahatazana mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitra Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, ny 17 aogositra teo, izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa misy olona mitatitra rongony mihaodihaody ao an-tanàna. Mpamatsy rongony ao amin’ny tanànan’Ambatoboeny rahateo […]
Kaominina Miary : Alika romotra nanaikitr’olona
Olona tsy latsaky ny sivy no voakakitry ny alika tao amin’ ny kaominina Miary, distrikan’i Toliara II, hatramin’ny omaly. Alika iray mirenireny an-dalambe io nanaikitra olona io ka nivoa-dra izay tratrany. Misy olona hafa koa, efa niharan’ny kaikitr’alika saingy alika hafa loko sy karazana. Manahy amin’ ny mety hisian’ny alika romotra […]
Fakana an-keriny zaza varira : Olona valo naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy […]
Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay
Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny […]





