Tranga

Efa-dahy nanafika : Ramatoa voa mafy teo amin’ny lohany

Vaky loha ny renim-pianakaviana niharan’ny asan-jiolahy tao Ambolomadinika 21/14, kaominina Toamasina, afako­maly. Nidiran’ny olon-dratsy miisa efatra tao amin’ny trano fonenan’io ramatoa io. Tsy nisy alaharo, nidaroka sy namono ilay tompon-trano avy hatrany ireo mpanao ratsy. Nangonin’ izy ireo ny fitaovana sy zava-tsarobidy tao amin’io tokantrano lasibatra io. Araka ny loharanom-baovao, […]

Nisy nanindrona antsy : Vehivavy iray hita faty tetsy Ankadimbahoaka

Renim-pianakaviana iray, 36 taona, hita faty tetsy amin’ny Lalamby manakaiky ny fiantsonan’ny taxi-be Anka­dimbahoaka, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teo am-panatanterahana ny asany izy. Niboridana ny razana ary nahitana tsindrona an­tsy maromaro tamin’ny vatany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Voatsindrona ny teo amin’ny tendany, ny […]

Nariana amoron-dalana : Ankizilahy hita faty tapa-doha

Niosin-dra tanteraka ary tsy nisy loha intsony, ankizilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Bemelo, kaominina Ianabinda, distrikan’i Betroka, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Naharay antso tamin’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana ny zandary miasa ao Ianabinda momba ny fahitana fatin’olona mampiahiahy tanteraka. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. […]

Imerinafovoany : Mpitondra moto voatoraka tapa-biriky

Lasan’ny olon-dratsy ny moto 4T an’ny raim-pianakaviana iray teny Imerinafovoany, kaominina Talatamaty, ny alin’ny alarobia 20 aogositra teo, tamin’ny 12 ora alina. Nandeha irery tamin’ny moto io lehilahy io. Nisy olon-dratsy tampoka nitoraka azy tamin’ny alalan’ny tapa-biriky. Miisa dimy ireo jiolahy io ka nifandrombaka nidaroka an’io mpitondra moto io. Nosavainy […]