Tranga

Morondava : mpanao gazety efatra tra-doza

Nentina niakatra eto an-dRenivohitra nampanarahina fitsaboana ny iray tamin’ireo mpanao gazety efatra niharan-doza tao Morondava, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Tra-doza nandritra ny fitsenana ny filohan’ny Antenimierandoholona tany an-toerana, omaly, ny fiaran’ny polisim-pirenena iray. Nitaingina io fiara io anefa ireo mpanao gazety ireo. Tsy tafavily tamin’ny fihodinana mihazo […]

NisandoKA ho zandary : lehilahy iray voasambotra

aNosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho lietnà ao Ambodivoara, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ny 1 avrily teo. Nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny Paka, nandrindra ny fifamoivoizana teny an-toerana ny zandary ka sendra io lehilahy io. Tsy nanaiky nosakanana izy. Efa naharenesana fofona toaka, nanevateva ny zandary nanao ny […]

Akon’ny fetin’ny Paka: nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana

Vita iny ny fety! Polisy 1 250 indray nahetsika ho an’ny teto Analamanga na­nomboka ny 29 marsa hatramin’ny alatsinain’ny Paka teo. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fety teo, nahatratra 159 ireo olona tratra nanao fandikan-dalàna. Olona iray nanao fanafihana mitam-piadiana ka nampiasa zava-maranitra raha dimy tratra namaky […]

Andranomanalina : jiolahy iray voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny alahady vao maraina teo, ny jiolahy iray nitondra sabatra. Naharay fitarainana momba ny fisiana halatra miharo herisetra ataona andian-jiolahy eny amin’ny manodidina an’Andranomanalina ny polisy. Nametraka paikady manokana hiadina amin’ireo trangana tsy fandriampahalemana mampimenomenona ny olona ireo ny […]