Tranga

Anosibe : Mpanendaka maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) tetsy Anosibe, ny jiolahy iray, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Malaza amin’ny fanaovana asa fanendahana miharo herisetra sady mpanao sinto-mahery izy io. Nikasa hanendaka mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe ity jiolahy ity sy ny […]

Raim-pianakaviana nanindrona antsy zafikely: Voaheloka hiasa anterivozona mandritra ny 10 taona

Niakatra fitsarana misahana ny heloka bevava omaly, tany Brickaville, ilay raim-pianakaviana 53 taona namono nahafaty ny zafikeliny. Nan­dritra ny fankalazana ny fetin’ny maty, ny 16 novambra 2020, novonoiny tamin’ny antsy ny zafikeliny, izay nonina tao Tsararivotra, kaominina ambonivohitr’ i Brickaville. Nandositra sy nifindra monina niala ny toerana sy faritra nisy […]

Vangaindrano : Rongony 15 gony saron’ny zandary

Nogiazan’ny mpitandro filaminana ny rongony 15 gony tratra tao ampitan’ny reniranon’i Menagnara, kaominina Van­gaindrano, ny alahady 18 mey teo. Nitady hevitra hitondrana ireo entana ireo miakatra ny tanàn-dehibe ny olona tsy fantatra ka niparitaka ny feo. Nitoroka teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’entana avy […]

Vehivavy voaroba 75 tapitrisa Ar: Jiolahy voatifitra teo Ambavahaditokana Itaosy

Maty nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary teny Ambavahaditokana, Itaosy, ny jiolahy iray. Anisan’ny nandroba fianakaviana sy nandratra vehivavy teny an-toerana izy, ny alin’ny 14 febroary lasa teo. Nifampitadiavana nanomboka ny volana febroary 2025, jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Loharanombato, kao­minina Ambavahadito­kana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alin’ny talata […]

Kaominina Bemanonga: Ben’ny Tanàna teo aloha hita faty

Namoy ny ainy, hita faty nihantona tamin’ny tady ny ben’ny tanàna teo aloha an’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, omaly. Hatairana ny an’ny fianakavian’io olom-boafidy teo aloha tao an-toerana io. Tsy nisy aina intsony, nifatotra tamin’ny tady ny tendany ary nihantona. Mangana ny faritry ny tendany izay voagejan’ny tady. Nidina ifotony […]