Nivonto maso sy tarehy ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono nataon’ny efa-dahy tao Antatamokely-Ampatsakana, kaominina Ankazobe, ny alahady teo. Tratra avokoa ireo nahavanon-doza. Nalemy, vaky loha sady nivonto ny tata-masony roa an’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono tao Antatamokely-Ampatsakana, fokontany Ankazobe I, kaominina Ankazobe, ny alahady 17 aogositra […]
Tranga
Andavamamba: Lehilahy roa tratra nangalatra solika
Voasambotry ny polisim-pirenena Ilanivato (PPA3), tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly, ireo roa lahy nangalatra sy nanodinkodina solika. Nisy olona tsara sitrapo nampilaza ny mpitandro filaminana fa misy olona mangalatra sy manafina solika eny an-toerana. Nidina ifotony avy hatrany ny ekipa mpanao fisafoana eo anivon’ny polisy taorian’ny antso. Tratra nisintona solika tao […]
Manjakandriana: Namoy ny ainy ilay voafaokan’ny 4×4
Niampita arabe tampoka, voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny ankizy iray 9 taona, tao Ambohimanatrika, kaominina Manjakandriana, ny harivan’ny alahady 17 aogositra lasa teo. Nentina teratany vahiny io fiara 4X4 io. Tsy nanampo na inona na inona ny mpamily, kinanjo nanapaka tampoka niampita io zaza io. Voadona ilay zaza. Namoy ny ainy […]
Marais Masay : Lehilahy iray hita faty tao anaty rano
Nahitana fatin-dehilahy iray tao anatin’ny rano manamorona an’i Masay, omaly maraina. Tsy fantatra ny fiaviany, tsy nisy nahalala ihany koa ny manodidina. Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny rano manamorona an’i Masay ny olona teny amin’ny manodidina, omaly tamin’ny 7 ora sy fahatelony maraina. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy […]
Mpanao gazety voatafika: Voaroba avokoa ny fitaovam-piasany
Tokantranon’ny mpanao gazety iray monina sy mipetraka ao Tanamakoa, Toamasina, lasibatry jiolahy ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy 18 aogositra, tamin’ny 1 ora sy 30 minitra maraina lasa teo. Tapaka ny herinaratra sady oram-be tamin’io fotoana io. Tsy tao an-tokantrano, mbola tany ambanivohitra nanao fikaroham-baovao io mpanao gazety io. Efa-dahy […]





