Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny alin’ny alahady 24 aogositra teo, tamin’ny 7 ora. Mpitondra moto scooter marika Kymco avy amin’ny lalana Tsarasaotra nikasa hihazo an’Ivato no nidona tamin’ny fiara Starex iray teo alohany. Potika tanteraka ny moto nentin’ilay lehilahy tra-doza. Naratra mafy vokatry ny dona […]
Tranga
Kaominina Tsiafahy : Vehivavy naolana sady novonoina
Fatim-behivavy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, omaly maraina. Naolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy. Nokarohin’ny fianakaviany nanomboka ny sabotsy 23 aogositra lasa teo. Hita tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, ny vehivavy iray, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Tsikaritry ny fokonolona […]
Vely « bois rond » misy fantsika: Lehilahy iray namoy ny ainy, tratra ny olon-dratsy
Novelesin’ny jiolahy tamin’ny “bois rond” misy fantsika tany Mangarivotra, omaly, ny mpivady. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy i Crino Pierre, raim-pinakaviana 45 taona. Raha toa ka mbola manaraka fitsaboana kosa ny vadiny. Avy niandry faty tany Akirihiry ary hamonjy fodiana any an-tranony izy mivady ireo ny […]
Nangalatra 2 tapitrisa Ar: Telo lahy voasambotry ny polisy
Notanan’ny polisy ireo telo lahy voasaringotra amin’ny hala-bola mitetina 2 tapitrisa Ar tao Mananara Avaratra, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny toerana iray ny olona miisa roa nampiahiahy. Tsy naharaka na inona na inona ny talen’ny orinasa kanjo nanjavona ny vola 2 tapitrisa Ar, ny 21 aogositra. Nampandre ny polisim-pirenena avy […]
Fandefasana mpiasa any ivelany: 30 ireo trangana fisolokiana, olona dimy naiditra am-ponja
Nahatratra 30 isa ny trangana fisolokiana mahakasika ny fandefasana mpiasa any ivelany, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana ny 4 sy ny 20 aogositra 2025 lasa teo. […]





