Tranga

TSELATRA

Jiolahy raindahiny lavon’ny zandary tao Ma­rirano, fokontany Ambodiakondro, kaominina Ambo­hi­janaka, ny alakamisy 28 marsa teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io sy ny namany. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Mpanao taxi-moto maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny tetezan’Ankolomaka, kaominina Talata Mi­andrandra, distrika Arivonimamo, afakomaly […]

Tao anatin’ny orambe: trano lehibe roa sy kioska fito levon’ny afo

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina indray tao Analan­kinina akaikin’ny CHU Mora­feno, ny alarobia maraina tamin’ny 1 ora sy 50 mn. Tao anatin’ny orambe mikija sy mivatravatra no nitrangan’izany saingy tsy nahasakana ny fijoalajoalan’ny afo. Vokany, lasa lavenona ny entana mi­tentina an-tapitrisany maro. Trano fivarotana roa lehibe feno entana no sady manao fifanakalozana […]

Rongony mahery vaika : roa lahy nahatrarana « crystal-meth »

Naiditra eny Tsiafahy ny roa lahy nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “crystal-meth” sy bala fampiasa amina fitaovam-piadiana teny Isotry, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Isotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny BC sy ny ekipan’ny SAG. Lehilahy iray voasambotra. Nosavaina ny fiara nentiny ka nahitana ireo balam-basy miisa telo sy karazan-drongony […]

Mbola nahitana vola 1 400 000 Ar : tratra ireo jiolahy namono nahafaty an’i Cynthia tao Toliara

Enina mianadahy voasaringotra tamin’ny fandrobana niharo vono olona tao Toliara renivohitra, ny 26 marsa teo. Nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana izy ireo. Voasambotry ny zandary ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona ka nahafaty an’i Cynthia, ilay tovovavy, mpiasana karana ao Tsianaloka Toliara. Ny 26 marsa 2024 teo ireto andian-jiolahy ireto […]