Tranga

Ady amin’ny zava-mahadomelina : Nentanina ny mponin’i Toliara

Nidina ifotony nanao fanentanana ny mponina tany Mangily Toliara II, mahakasika ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny polisim-pirenena, ny 13 aogositra teo. Faritra anisan’ny tena ahitana rongony « cannabis » na jamala, izay fahita matetika eto Madagasikara, ny any Toliara. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy […]

Ahina ho lonilonin’ny mpivady : Renim-pianakaviana notifirina teo amin’ny tendany

Renim-pianakaviana iray no maty voatifitra teo amin’ny tendany tamin’ny alarobia alina, tao Toamasina. Efa misy ny hirika nanombohan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana hamantarana izay tompon’antoka. Matin’ny bala tokana, no­tifirin’ny olon-dratsy teo amin’ny tendany, i Brucia Sizaza, renim-pianakaviana iray monina ao Toama­sina. Tao anatin’ny fiara nentiny no nitrangan’ity vono olona hafahafa […]

Tsindron’antsy nahafatesan’olona : Nalefa eny Antanimora ilay lehilahy nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana te­tsy anivon’ny Fitsarana amba­ratonga voalohany Anosy, oma­ly, ny raharaha mahakasika ireo roa lahy nifanindrona antsy tetsy Ambohinosy Anta­nety II, kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, ny 9 aogositra lasa teo. Mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy na­havanon-doza, izay nahavita namono nahafaty ny namany tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy. […]

Fandrobana eny amin’ny RN2: Olona valo voasambotra

Tambajotran-jiolahy mpandroba fiara mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ravan’ny zandarimaria miasa ao Moramanga, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny entana nentin’ny kamiao iray niala avy ao Toamasina nikasa hihazo an’Antananarivo, ny alin’ny 11 hifoha ny 12 ao­go­sitra teo. Very tamin’izany ny entana sarobidy tao anatin’ny fiara, teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasimpotsy […]