Norasarasaina antsy, tsy nisy taova, lehilahy mpividy vokatra hita faty tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Tsy hita ny vola 2 tapitrisa nentiny nivoaka ny trano. Nampihorin-koditra! Fatin-dehilahy tsy nisy taova, nahitana faritra voarasarasa antsy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ankazondrano, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly alatsinainy 19 mey, tamin’ny 6 […]
Tranga
Avaratra Antanimora: ankizivavy 6 taona naolana tany anaty ala
Nisy nibata tao am-pandriana, tao an-tranony, tetsy Avaratra Antanimora ny ankizivavy vao enin-taona monja, afakomaly alina. Hita tany anaty ala teny amin’ny manodidina izy io, omaly maraina. Fantatra taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa voaolana izy. Tsiahivina, nandeha nitsena ny reniny izay mbola taraiky niasa alina tany ivelan’ny trano ny olon-dehibe […]
Ady lova: lehilahy namono nahafaty ny reniny
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana, ny zoma 16 mey teo, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao Mahaly, fokontany Anaviavy, kaominina Iamonta, distrikan’i Vondrozo. Niketriketrika haka ny lova io lehilahy io. Ny reniny izay mbola velon’aina soa aman-tsara no novonoiny. Novelesiny teo amin’ny faritry ny lohany io reniny izay efa […]
Nosy varika – Raim-pianakaviana voasambotra: mitaky ny hamoahana azy ny mponina
Notanana natao andrimaso eo anivon’ny tobim-paritra Nosy Varika, amin’izao fotoana izao, ny lehilahy iray voalaza fa saika hampamono sefo fokontany tany amin’ny fokontanin’ Ambatoseza. Tonga nanatitra azy io tany amin’ny zandary any an-toerana ny miaramila telo lahy avy ao amin’ny 2ème Compagnie Vohimanoro, ny alarobia 14 mey, tamin’ny 04 ora […]
Mandrimena Andoharanofotsy: mpitondra moto maty nidona tamin’ny kamiao simba
Namoa-doza indray ny fiara lehibe mpitatitra, simba, nijanona tamin’ny arabe tetsy Andoharanofotsy, ny sabotsy alina teo. Tsy nametraka mari-pamantarana manambara ny fijanonany. Tovolahy iray nitondra moto scooter maty rehefa nidona taminy. Maty tsy tra-drano, nidona tamin’ny vodina fiara lehibe iray tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 10 + 600, Mandrimena Malakialina, […]




