Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, distrikan’i Port Berger, faritra Sofia, ny alahady teo. Renim-pianakaviana iray ity hita faty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ity. Raha ny fahitana ny razana, notetitetehin’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny vatany sy ny lohany. Tsy hita intsony kosa ny masony roa. Renim-pianakaviana mpivarotra […]
Tranga
Anosibe: Enin-dahy nahatrarana rongony
Nanao bemidina teny Anosibe ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5), omaly, noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’iny faritra iny. Nahitam-bokany izany satria enin-dahy indray tratra niaraka tamin’ny fonosan-drongony marobe 335. Voarohirohy ho nitazona sy nivarotra zava-mahadomelina, araka izany, ry zalahy ireto. Naharay angom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ireo […]
Nandrasana kendrItohina: vehivavy maty voatifitra teo amin’ny lohany
Maty voatifitry ny jiolahy ny renim-pianakaviana iray, omaly. Nirahin’ny mpampiasa azy hanatitra vola izy. Teo am-piakarana haka fiara no norobaina sy novonoina. Mpanampy miasa ao amina teratany karana, lavon’ny balan’ny jiolahy nitam-piadiana tao Tsianaloky, Toliara, omaly atoandro tamin’ny 12 ora. Nomen’ny mpampiasa azy fahatokisana hanatitra vola any amin’ny banky io […]
Talatamaty : naiditra eny Tsiafahy ilay nanolan-jaza
Nohazonina vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy iray nanolan-jazavavy vao 12 taona tao Fitraofana, kaominina Talatamaty, ny 22 marsa teo. Naka trondro tao amin’ny dobo fiompiany io lehilahy io, ny 19 marsa teo. Navelany nitsimpona ireo ambin-trondro madinika tao anatin’io toerana io ireo ankizy ireo, fotoana vitsy taorian’ny nangalany ireo trondro […]
Fanimbana andrin-jiro : tratra ireo mpangalatra vy
Tafakatra dimy ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha halatra vy amin’ny andrinjiron’ny Jirama ao Manandona Antsirabe. Mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tendro amin’ny fanimbana fananam-bahoaka. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga nametraka fitoriana tao amin’ny zana-tobim-paritra Manandona ny orinasa Tozzigreen, mpihary herinaratra miorina ao Sahanivotry, distrikan’Antsirabe II, fa misy manongotra […]