Tranga

“Raharaha Ambohimalaza” : Horaisina an-tanana ny havan’ny maty

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany. Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana. Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny […]

Jiolahy mpamerin-keloka: Maty voatifitry ny zandary i Mainty

Lavon’ny zandarimaria miasa ao Ambohimangakely, omaly maraina tamin’ny 1 ora, i Mainty, anisan’ny jiolahy rain­dahiny efa nisazy. Nokarohina nanomboka ny taona 2023 io olon-dratsy io, taorian’ny asa ratsy maro nataony. Tompon’ antoka tamin’ny fandrobana mpitandro filaminana tao An­kadiefajoro Ikianja, io jiolahy io, ny volana septambra 2024. Nanafika tao amin’ny mpia­san’ny […]

Vaky trano tetsy Manjakaray : Olona dimy voarohirohy, afaka madiodio

Afaka madiodio toarian’ny fihainoana azy teny amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena, ny sabotsy 9 aogositra lasa teo, ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny vaky trano tetsy Manjakaray. Nijanona teo alohan’ny varavaran’ny tokantrano misy azy ireo ny alika mpitsongo dia nandritra ny fikarohana ny nahavanon-doza. Nilaza ho tsy mahafantatra na inona na inona mahakasika […]

Voatsindrin’ny fiara : Mpitondra bisikileta maty tsy tra-drano tany Antsoatany

Nivadika ny fiarabe mpitatitra iray noho ny hamamoan’ny mpamily nitondra azy tany Antsoatany. Maty voatsindry tao ny mpitondra bisikileta iray. Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana nitondra bisikileta voatsindrin’ny kamiao tao Antsoatany, kaominina Antsirabe, afakomaly. Nisotro zava-mahamamo ny mpamily ka tsy tompon’ny tenany intsony rehefa nitondra io kamiao io hiakatra an’An­tananarivo, […]

Notafihin’ny jiolahy : Namoy ny ainy ilay voavely “barre à mine”

Novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny alalan’ny vy lehibe “barre à mine” teo am-panokafana varavaran’ny trano, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Vohidrazana, kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka naka vehivavy […]