Namoy ny ainy ny ramatoa iray latsaka tampoka tao an-davadrano teny Fitraofana, kaominina Talatamaty, ny alarobia 14 mey teo. Nisinton-drano toy ny fanaony andavanandro izy. Nandatsaka ny siny tany tanaty lavaka kinanjo fanina tampoka. Nirona nanaraka ny tady ka nifamonjena. Nananosarotra ho an’ny mponina manodidina ny fanavotana io niharam-boina io. […]
Tranga
Famonoan-tena : Telo mianaka nisotro poizim-boalavo
Renim-pianakaviana 26 taona nisotro poizim-boalavo ary nomeny koa ny zanany roa vavy tao Anjozorobe, ny alarobia 14 mey teo. Nifamonjena teny anivon’ny hopitaly ireo zaza mirahavavy. Marary mafy, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHRD Anjozorobe ny ankizivavy roa nampisotroin-dreniny poizim-boalavo tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjozorobe, ny harivan’ny alarobia 14 mey […]
lehilahy voatsindrona antsy: voasambotra ilay nahavanon-doza
Voasambotry ny zandary avy amin’ny Brigade territoriale Brickaville, afakomaly, ilay tovolahy nanindrona antsy ka nahafaty ny dadatoany, tany Nierenanana. Fantatra fa vono olona niniana natao ny tsindron’antsy natao teo amin’ny fony ka nahafaty ity lasibatra ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary any an-toerana. Hita faty nihosin-dra teo ambony […]
Fanafihana mitam-piadiana: jiolahy roa maty voatifitra, iray voasambotra
Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy ary iray hafa azo sambo-belona tao amin’ny fokontany Andranomadio, kaominina Toamasina, ny alin’ny 13 mey lasa teo. Nikononkonona fanafihana ireo olon-dratsy ireo. Naharay loharanom-baovao momba izany ny mpitandro filaminana ka nidina ifotony. Ravan’ny Fip ny teti-dratsin’ireo mpanao ratsy. Namoaka fitaovam-piadiana, nifampitifitra tamin’ny mpitandro […]
Fahafatesan’i Raissa kely: notanana vonjimaika am-ponja ny renibeny
Voatazona vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny reniben’i Raissa kely sy ankizilahy roa tsy ampy taona. Zanaky ny iray tampo amin’ny rainy ny iray. Notanana vonjimaika eny Antanimora ny reniben’i Raissa izay renin’ny rainy sy ny ankizilahy zanaky ny iray tampo amin’ny rainy, niampy ankizilahy iray […]




