Lasibatry ny harom-paosy matetika ireo olona miandry fiara sy ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka. Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangaronana paosin’olona tetsy 67Ha Avaratra, afakomaly hariva. Miara-mijoro amin’ireo mpiandry fiara fitateram-bahoaka etsy amin’ny Parking 67Ha Avaratra io olon-dratsy io. Mandritra ny fihazakazahana manenjika fiara no hanararaotany hangaronana ny paosin’olona. […]
Tranga
Voatifitry ny polisy : Jiolahy niarina tao amin’ny tranom-paty
Jiolahy miisa efatra voatifitry ny polisy tao Toamasina ka voalaza fa namoy ny ainy avokoa, afakomaly alina. Tovolahy 17 taona iray tamin’ireo jiolahy, niarina tampoka tao amin’ny tranom-paty. Hagagana ny an’ny rehetra teo anoloan’ny tranom-patin’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Jiolahy miisa telo hita faty tao amin’ny tranom-paty ny maraina raha […]
Nivarotra rongony teny 67 Ha: Tanzaniana naiditra eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika, ny zoma 8 aogositra teo. Teratany vahiny mpanamparitaka rongony mahery vaika “Cristal methamphetamine” sady mpidoroka izany, nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, teny 67 Ha Avaratra, ny 6 aogositra teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana […]
Imerintsiatosika: Telo lahy tratra nangalatra zana-kisoa
Mitohy ny fisamborana ireo mpanao ratsy. Lehilahy miisa telo, avy nangalatra kisoa voasambotry ny polisim-pirenena avy any Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Nahatsikaritra olona nivezivezy tao Ambohijanadralambo Imerintsiatosika ny mponina. Nampiahiahy sy hafahafa ny fihetsik’ireto olona ireto, izay nilanja gony, ka nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny fokonolona. Tsy niandry ela, tonga […]
Mpamily mamo : Olona roa maty voadonan’ny fiara
Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona tato ho ato. Olona roa samy hafa no maty voadona sy voahitsaky ny fiara ny sabotsy lasa teo. Maty voadonan’ny fiara ny ramatoa iray, ary voahitsaky ny fiarabe mpitatitra ny lehilahy iray hafa. Nahavoadoana olona mianaka teo amin’ny amin’ny lalana mankany amin’ny Zahamotel hiditra ny […]





