Teratany vahiny iray handray ny zotram-piaramanidina hihazo an’Antananarivo no voasambotry ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany ao Toliara, omaly. Nahatrarana zana-tsokatra enina tao anatin’ny valiziny nandritra ny fisavana. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny polisy fa teo am-pidirana ny seranana izy dia somary nampiahiahy ny fihetsiny. Mailomailo sady kaodikaody ihany […]
Tranga
Avy namaky trano: jiolahy iray tratran’ny fitsaram-bahoaka
Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Andohaniato Ambohipo, afakomaly. Efa saika namoy ny ainy mihitsy izy noho ny hatezeran’ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2). Raha ny fanazavan’ny fokonolona, araka ny tatitra nampitain’ny polisy, niditra tao amina efitrano fandraisam-bahiny iray ity jiolahy ity tamin’ny […]
Voaolana : ankizivavy nihosin-dra tao anaty ala
Nitrangana fanolanana ankizivavy tao amin’ny fokontany Tanambao Nosy Be, kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, naheno ankizy mitomany sady mitaraina tao anaty kirihitr’ala ny olona sendra nandalo ka niantso azy ireo. Voamarina ny fisian’ilay ankizy. Zaza efa mihosin-dra no tazan’ny zandary sy […]
Bateria nipoaka : Zaza 10 taona maty kilan’ny afo
Zava-doza no nanjo ireto mpiompy akoho, tao Ambohimiarivo, omaly. Nirehitra ny gorodona, nahazo ny bateria mpamatsy angovo tao an-trano ka nipoaka. Maty tsy tra-drano ny zaza 10 taona. Nitrangana haintrano namoizana ain’olona tao Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, omaly. Trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofo no tra-doza sy nirehitra. Vokany, maty tsy tra-drano ny […]
Sakaraha: taksiborosy tratra nitondra zanaka baobab
Nangina ny sokatra! Fiara taksiborosy Sprinter an’ny kaoperativa iray miasa eny Fasanikarana no tratra nitondra zanaka baobab tao Sakaraha, omaly. Tao Ankatsakatsa, fokontany/ kaominina Sakaraha, distrikan’i Sakaraha, Pk 796+200, no tratra ity fiara fitateram-bahoaka ity. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary momba ny fisian’ity taksiborosy mitondra hazo arovana ity. Anisan’ireo […]