Hita faty tao anaty kirihitr’ala i Boeza, tovolahy vao 17 taona, tao amin’ny fokontany Marovato, kaominina ambanivohitra Miarinarivo, disitrika Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny 2 aogositra teo. Nahitan’ny fokonolona diam-bala ny vatan’io lehilahy namoy ny ainy io. Nasitrika tao anaty kirihitr’ala, tao aorian’ny namonoana azy, io tovolahy io. Ankizy haka […]
Tranga
Nahatrarana vola sandoka : Naiditra am-ponja ilay mpisoloky
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray mpisoloky sady nahatrarana vola sandoka ana hetsiny tao Ambilobe tampon-tanàna. Nanatona toeram-pandefasana vola iray io lehilahy io ny alakamisy 31 jolay lasa teo. Nilaza hametraka vola anatin’ny findainy izy. Mailo ny mpiasa tamin’ilay Cash point satria hafahafa ny fihetsik’io lehilahy […]
Fanolanana zana-bady: Notanana vonjimaika am-ponja ilay raikely sy ny vadiny
Ankizivavy 14 taona, niaritra fanolanana nataon’ny raikeliny nandritra ny roa volana, teny Anosizato. Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza, eny Antanimora kosa ny vadiny, renin’ilay ankizivavy. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray 37 taona. Nahavita nanolana ny zana-badiny vao 14 taona, tetsy Anosizato, izy. Nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora […]
Andohatapenaka : Olona roa maty voafaokan’ny 4×4
Maty tsy tra-drano voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, omaly. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Olona hafa naratra ka nentina hopitaly. Namoy ny ainy vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray 35 taona, anisan’ireo voafaokan’ ny fiara tsy mataho-dalana teny […]
Tompon-trano maty voatifitra : Lasan’ireo jiolahy ny vola 3 tapitrisa Ariary
Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaro-tava sy mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy sabatra ny tokantrano iray any Kiembe-Haut Toliara, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Raim-pianakaviana iray maty voatifitra tamin’izany. Lasan’ ireo olon-dratsy nandritra izany ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar mahery sy ny finday tao an-trano. Naratra mafy, voadaroky ny […]





