Kaomisera sy Inspektera niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Tsinjoarivo Imanga, omaly. Simba tanteraka ny fiara nitondra azy ireo. Kaomisera miasa eo anivon’ny kaomisaria Tsiroanomandidy ny iray tamin’ireo polisy roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenana voalohany, PK 45 +200, hidirana ny tetezan’Imanga Tsinjoarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Miisa efatra […]
Tranga
Fanafihana miharo vono olona : Voaroba ny 8 tapitrisa Ar sy finday maro
Mampivarahontsana ny zava-niseho tao Mananara Avaratra, ny alin’ny 5 jolay lasa teo. Voaroban’ireo olon-dratsy ny vola mitentina 8 tapitrisa Ar sy finday maro fampiasan’ireo mpivady mpanao Cash point ao an-toerana, izay misy vola hatrany amin’ny 30 tapitrisa Ar. Novelesin’ireo mpanafika tamin’ ny hazo ny lohan’ireo niharam-boina ka naratra mafy tamin’ […]
Fakana an-keriny : Voasaringotra ny raikelin’ilay zaza varira
Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana eny anivon’ ny polisy ireo roa lahy izay tsy hafa fa ray niteraka sy raikelin’ny zaza varira nisy naka an-keriny tao Marofinaritra, kaominina Mananjary. Tsy nifankahazo ny renin’io zazavavy vao 4 taona monja io sy ny rainy. Niafara tamin’ny fifamaliana izany ka nandao ny tokantrano […]
Anosibe : Mpangarom-paosy iray tratran’ny polisy
Voasambotry ny polisin’ny CSP5, miasa etsy Anosibe Tsena, ny lehilahy mpangalatra sy mpangarom-paosy iray, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Avy nangalatra findain’ny lehilahy lehibe iray tao anaty tsena io olon-dratsy io. Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’ny asa ratsiny. Niantso vonjy ilay lasibatra. Nandray andraikitra tamin’ny fanenjehana ilay olon-dratsy ny […]
4×4 latsaka tanaty hantsana : Ramatoa 72 taona namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano vokatry ny fivadihan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny renim-pianakaviana iray teny amin’ny fokontany Tsiazonkirano. Tsy nahatana ny familiana ny mpamily ka nilatsaka tany anaty hantsana ny fiara. Renim-pianakaviana iray 72 taona maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK160+900, fokontany Tsiazokirano, kaominina Tsaramasoandro, distrika […]





