Tranga

Fanesorana fako: tsy nandray karama, mitokona ny mpiasa

Mpiasan’ny SMA efatra no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nitokona sy voalaza fa nanakorontana ny fifamoivoizana teny Ampasampito izy ireo. Nambara fa anton’ny fitokonana tsy nandray karama izy ireo. Sady nobahanana daba ny arabe no naongan’ny mpanao fihetsiketsehana izany. Naparitan’izy ireo teny an-dalàna, ny fako tao […]

Matetika miditra am-ponja: lavon’ny polisy ny jio­lahy mpamerin-keloka

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Tsa­rarano Ambany, Mahajanga, omaly maraina, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra arahina herisetra. Efa fanta-daza amin’ny resaka halatra sy fanendahana ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity jiolahy ity. Tsy vitan’izay fa mpamerin-keloka sy efa matetika migadra ihany koa izy, raha ny tatitra nampitain’ny […]

Tafika Malagasy: hifantoka amin’ny fiarovana anatiny

Tontosa omaly ny fandraisan’ny jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa ny fibaikoana ny Tafika Malagasy. Anisan’ny ho mpisehatra fototra amin’ny fiarovana anatiny an’i Madagasikara ny Foloalindahy. Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Maha­masina, omaly, ny fa­min­dram-pibaikoana teo amin’ ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika (CEMA) teo aloha, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny jeneraly […]

Ambohimalaza : tratra ny mpisoloky, manao fanamian’ny Tafika

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly ilay lehilahy nisandoka ho Tafika. Olona telo hafa indray nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny fisandohana asa sy andraikitra (nilaza ho miasa eo anivon’ny Tafika Mala­gasy). Nitohy hatrany ny fanadiha­diana lalina nataon’ny zandary momba ilay raharaha fisolokiana ho miaramila eo anivon’ny Tafika […]

Efa voatetika ny omby: lavon’ny zandary i José kely dahalo raindahiny

Maty rotiky ny balan’ny zandary ny dahalo raindahiny an­tsoina hoe José kely tao Ambohibary, Antsirabe II. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, lasan’ny mpangalatra ny omby iray tao Mahazina fokontany Antsapanimahazo, kaominina Antsoatany, distrikan’Antsirabe II. Niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sady nampandre ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibary. Roso […]