Tranga

Folo lahy nanafika: Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana

Namoy ny ainy vokatry ny hataraina tampoka, taorian’ny fanafihan-jiolahy tao an-tranony, ny raim-pianakaviana iray efa taizan’aretina tao Manga­rano II, parcelle 11/47, Toa­ma­sina, omaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, ao amin’io fokontany io, ny jiolahy miisa telo tsy nisy nisaron-tava, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. « Miisa […]

Andoharanofotsy : Mpamaky fiara voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy mpamaky fiara ao Mandrimena, kaominina Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. Nitsaitsaika nandroba ny fiara iray io lehilahy io. Novakiany ny jiro lehibe teo aloha ka nanao mora ny nangalany ny “batterie” niampy ny “auto-radio”. Tazan’ny mpiasa amin’ny toeram-pamatsiana solika […]

Andavamamba Anjezika I : Lehilahy hita faty tao anaty rano

Nahitana fatin-dehilahy efa simba tao anatin’ny lakandrano Andriantany, tetsy Andavamamba Anjezika I, omaly. Tsy nisy nahafantarana azy afa-tsy ny akanjo nanaovany sisa. Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny lakandrano Andriantany, fo­kontany Andavamamba Anje­zika I ireo mpaka tsikafona, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy hatrany izy […]

May ny tsenan’ny Coum: Amina miliara ny tombam-bidin’ny entana levona

May kilan’ny afo tanteraka ny trano nisy rihana iray nahitana tsena fivarotana miisa enina, fivarotana rafia etsy amin’ny Coum 67 Ha Avaratra Andrefana, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. “Mahatratra amina miliara maro ny fatiantoka rehetra tamin’io famaizana io”, hoy Razafindrasata Andry Tafita, anisan’ny tompon’ny tsena may. […]

Antaravay-Toliara : Jiolahy lavon’ny balan’ny UIR

Maty tsy tra-drano voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny nitam-piadiana tao Antaravay, Toliara, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, tamin’ny 11 ora. Enin-dahy no ren’ny mpitandro filaminana fa hanao fanafihana ao amin’io tanàna io. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny ekipan’ny UIR rehefa nahazo loharanom-baovao. Nikoropaka ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny […]