Tranga

Fiondranana antsokosoko : Malagasy 13 tratra saika hihazo an’i Mayotte

Hiatrika fampanoavana, anio, ireo Malagasy miisa 13 nikasa hiondrana antsokosoko any amin’ny Nosy rahavavy Mayotte saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Mahamaniny, kaominina Antsakoamandro, distrika Ambanja. Naharay loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko ny mpitandro filaminana miasa ao Ambanja. Tsy manana fahazoan-dalana hivoaka ny sisintany ary hiditra amin’io nosy […]

Nisy namono : Tovolahy iray hita faty tao anaty rano

Tovolahy iray 26 taona no hita faty teny amin’ny reniranon’Andrianambo, fokontany Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitr’Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly. Ahina ho nisy namono izy, raha ny tombantombana nataon’ny fianakaviany… Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahafaty azy fa ahina ho nisy namono, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Efa fanaony ny mody somary […]

Anosibe : Tratra namaky trano i Fetra

Voasambotry ny polisy teo am-pikasana hamaky trano ny lehilahy iray 24 taona, tao Anosibe, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, nanao asa fisafoana teny amin’iny faritra iny ny mpitandro filaminana. Tratra teo am-pangalarana entan’olona i Fetra izay tovolahy vao erotrerony. Nosakanan’ny polisy izy. Nosamborina ka nentina natao famotorana eny anivon’ny […]

Olana ara-teknika : Vehivavy iray namoy ny ainy, 20 hafa naratra

Olona manodidina ny 20 mahery naratra vokatry ny fivadihan’ny karandalana iray tany amin’ny fokontany Ankaroka, omaly. Vehivavy iray namoy ny ainy tamin’izany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tao amin’ny fokontany Ankaroka, kaomi­nina Ianabinda, distrikan’i Betroka, faritra Anosy, omaly tamin’ny 07 ora sy 20 minitra maraina. Nitrangana olana tampoka ny fiara […]