Voasambotra tany Sahavalaina, lalam-pirenena faharoa, disitrikan’i Brickaville, i Tapatanana, izay ati-doha sy sefon’ny tambajotra miaraka aminy, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny 27 jolay teo. Nirongatra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana, ka nanapa-kevitra ny lehiben’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nampiantso tampoka ny […]
Tranga
Saika halefa any Tanzania: Roa lahy nahatrarana sokatra sy gidro
Voasambotry ny mpitandro filaminana ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny roa lahy nikasa hanondrana biby arovana sy ahina ho lany tamingana, omaly. Nataony tao anaty harona ny karazan-gidro atao hoe Tsibaka miisa folo niampy sokatra Radiata 78. Nentina tamin’ny bajaj ireo entana ireo. Notanana vonjimaika ny mpitondra ilay Bajaj sy ny […]
Hala-jaza teny Ambohimahitsy : Vehivavy roa naiditra eny Antanimora
Niakatra fampanoavana omaly, ireo vehivavy miisa roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’i Tanyah kely, ilay hita faty teny Ambohimalaza. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny ramatoa miisa roa voasaringotra tamin’ny hala-jaza niharo vono olona teny amin’ny fokontany Ambohitremo, kaominina Ambohimalaza. Niray tendro tamin’ny famolavolana ny teti-dratsy rehetra namonoana an’i […]
Fanaovana herisetra amin’ny mpiasa : Vazaha sy ny mpamiliny higadra herintaona
Niakatra fitsarana teny Avaradrano, ny 23 jolay lasa teo, ny raharaha fitoriana vazaha nanao herisetra tamin’ny mpiasa ao aminy teny Andranovelona Ilafy. Nivoaka afakomaly ny valim-pitsarana ka voasazy higadra an-tranomaizina mandritra ny herintaona izy sy ny mpamiliny, raha ny didy nivoaka. Mandoa onitra 1 tapitrisa Ariary ihany koa izy ireo. […]
Nandrahona mpanao gazety: Sinoa roa lahy naiditra am-ponja
Nanao didin’ny be saina, teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy miisa dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana tao Fenoarivo Atsinanana, ny alarobia 30 jolay teo. Nosimbain’ireo sinoa ny lalana vao vita tara sy vao notokanan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, tao Voahilava Nosy St Marie, ny alatsinainy 28 jolay lasa […]





