Naratra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray notsatohan’ny jiolahy antsy teny Ampasika, omaly. Lasan’ireo mpanafika ny kitapo niaraka amin’ny vola… Raim-pianakaviana iray hamonjy asa vao maraina no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy telo nirongo basy sy zava-maranitra teny Ampasika, omaly vao maraina. Teo am-piandrasana taxi-be hihazo an’Ivato no tonga nanatona azy […]
Tranga
«Ahina ho matin’aretina»: lehilahy hita faty tao an-tanimbary
Hita faty tao an-tanimbary, teny Antsahakely fokontany Vonelina, omaly tolakandro, ny lehilahy iray, izay efa nokarohin’ny fianakaviany andro maromaro. Mbola hita teny am-babeny, tao anaty kitapo, ny entana vao avy novidiany. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Itaosy, araka ny fampitam-baovao nomen’ny rain’io lehilahy niharam-boina io : ” […]
Manazary : rangahibe tratra namboly rongony
Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary, omaly tao Falimanarivo, kaominina Manazary Miarinarivo, ny rangahibe iray 73 taona tompona sahan-drongony. Nahazo angom-baovao ny zandary momba ny fisian’ity rangahibe ity miaraka amin’ny namany iray 40 taona mpanao trafikana rongony ao amin’ny kaominina Manazary. Nidina ifotony nanao fisafoana ny zandary mpanao fisafoana. Nahitam-bokany izany […]
Nisarahan’ny sakaizany: teratany thaïlandais nananton-tena
Hita faty, nihantona tamin’ny fametahana lambam-baravarana tao an-tranony ny teratany thaïlandais iray. “Ahina ho namono tena noho ny olana ara-pitiavana izy”, hoy ny zandary. Zava-doza! Teratany thaïlandais iray, miasa amin’ny orinasa lehibe ao Toamasina no hita faty tao amin’ny efitranony. Nifatotra tady ny tendany, nihantona tamin’ny hazo fametahana lambam-baravarana izy. […]
Bemasoandro Itaosy: mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka
Tsy mety fay ! Niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo mpanendaka roa lahy tratran’ny fokonolona nanendaka teny Bemasoandro Itaosy, afakomaly. Lehilahy iray no nendahin’izy roa lahy tamin’iny lalana hiakatra ny Horizon Itaosy iny. Noraisin-dry zalahy tamin’ny vozon’akanjony ilay niharam-boina. Nazeran’izy ireo tamin’ny tany sady nalainy an-keriny ny finday teny aminy. Nitsoaka avy hatrany ireo […]