Olona fito niara-namoy ny ainy vokatry ny fahatapahan’ny hisatry ny fiara nitondra azy ireo tany Beranomaso, omaly. Tsy voafehin’ny mpamily ny familiana ka nahatonga ny loza. Namoy ny ainy ny mpandeha miisa fito tao anatin’ny fiara iray tra-doza tao Beranomaso, amin’ny lalana mampitohy an’i Mahabo sy Miandrivazo, omaly maraina, tamin’ny […]
Tranga
Fanafihana eny amin’ny RN2 : Jiolahy valo naiditra ao Ambalatavoahangy
Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Anjakan’ny asan-jiolahy mahery vaika eo anelanelan’i Brickaville Antsapanana, lalam-pirenena faharoa sy Amboditavolo, lalam-pirenena faha-11 A, mihazo an’i Vatomandry tato ho ato. Lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo ny taksiborosy sy kamiao, hatramin’ny mpandraharaha. Noho izany, nanao ezaka hampandriana fahalemana ny zandary ka nanao […]
Fanolanana ankizy efa-taona : Voaheloka higadra dimy taona am-ponja i Francky
Nivoaka ny alakamisy 24 jolay maraina teo, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny valin’ny raharaha fanolanana, fametavetana ankizy tsy ampy taona “attentat à la pudeur”, voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana laharana faha -331, andininy voalohany. Nilatsaka ny didy ka nomelohina higadra dimy taona am-ponja Randriamarolahy Nambinintsoa Francky. Raharaha nandrasan’ny maro ity didim-pitsarana […]
Lehilahy voatsatoka antsy inenina : Notanana am-ponja ny nahavanon-doza
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambohitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 […]
Raharaha Ambohimalaza: Naiditra am-ponja i Fenohasina sy ny reniny
Vita omaly alina ny fakana am-bavany an’i Fenohasina sy ny reniny, mahakasika ny raharaha nahafatesan’olona am-polony teny Ambohimalaza, nanomboka ny 14 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Taorian’ny fakana am-bavany, nijery ny vesatra niandry azy ireo ny mpitsara mpanao famotorona ka namoaka didy […]





