Tranga

Amoron’Ankona : mpiasa telo lahy indray maty nihotsahan’ny tany

Maty ny telo lahy tamin’ireo mpiasa valo nanamboatra « mur de soutiennement » teny Amoron’Ankona Ambohimangakely, omaly. Nihotsaka tampoka ny tany ka tototra izy telo lahy Mpiasa miisa valo no nikarama nanamboatra « mur de soutiennement » mirefy 15 metatra ny haavony teny Amoron’Ankona Ambohimangakely, omaly ato­andro tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Nihotsaka […]

FJKM Betela Toamasina : raikitra ny fifandonana, olona iray naratra

Mbola tsy milamina ny disadisa miseho eo amin’ny samy mpino ao amin’ny fiangonana FJKM Betela Tanambao fahadimy ny marainan’ny alahady 10 marsa teo, nandritra ny fotoam-pivavahana. Tamin’ny voalohany, nizotra soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana tsy nisy trangan-javatra nampiahiahy. Ny mpitandrina mpanampy mpiandry toerana no nitarika ny fanompoam-pivavahana, satria mbola marary mitsabo […]

Begoaika Antanifotsy: taksiborosy nivadika, olona 20 indray naratra

Olona 20 indray naratra tamin’ny lozam-piarakodia tao Begoaika, fokontany Ante­mitra, kaominina sy distrikan’ Antanifotsy RN 7, Pk 103+600, afakomaly hariva . Fiara Sprinter, taksiborosy iray avy any Antsirabe hiakatra an’Antananarivo no nivadika tampoka teny am-pandehana rehefa nidina ny fidinana misy fiolahana ivelan’ny tanàna. Nivadika nivoaka ny lalana amin’ny ilany havia […]

Fakana an-keriny: maty voatifitra i Dofa

Rotiky ny balan’ny zandary tao Brieville Tsaratanana, ny sabotsy alina teo, ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe i Dofa na Fongitiky. Dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny miharo vonoan’olona ity dahalo ity. Anisan’reo tompon’antoka tamin’ny fandoroana olona 32 tao Ankazobe izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo mpaka an-keriny […]