Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny PPA Manantenasoa Avaradrano teny Mahatazana Ambohimahitsy, afakomaly ny jiolahy iray avy namaky trano. Nanao ny asa fitsirihana toy ny mahazatra ny polisy avy ao amin’ny PPA Manantenasoa afakomaly alina. Nahatsikaritra lehilahy iray somary kaodikaody miaraka amin’ny karazan’entana samihafa ireo polisy. Nanatona azy avy hatrany […]
Tranga
Olana sosialy : nitroatra ny mponina !
Nandoro kodiarana sy nibahan-dalana ny mponina teny Andohatapenaka, omaly. Nanimba ny biraon’ny kaominina ny mpitarika posy tao Manakara. Olana sosialy no anton’izany. Nanao hetsika fanairana ny mponina tao Andohatapenaka, omaly. Antony, voalazan’ny mponina fa lasan’ny vahiny ny tany misy ny trano fonenan’izy ireo. Sady nidina an-dalambe no nandoro kodiarana izy […]
Fiaran’ny polisy : nandeha ho azy teo am-panamboarana
Saika zava-doza! Niharan-doza ny fiaran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Ambatondrazaka, omaly, ka potika tanteraka ny lohany. Namboarina noho ny olana teknika izay voalazan’ny mpanamboatra fa tsy nasiana « frein à main » mitazona azy ity fiara ity. Niroso nandeha tampoka nihazo ny fidinana mandalo ny kaomisaria anefa ilay fiara ka nifatratra tami’ny andrin-jiron’ny […]
Nilaza ho misy olona miaro: Tovolahy iray nihetraketraka
Tsy nahazaka ny teny nataon’ny anankiray nifanila latabatra taminy ny tovolahy iray ka antony nahatonga ny fifandonana. Niafara tamin’ny totohondry izany. Nivoaka ny trano, namelona fiara ka notrongisiny avokoa ny moto rehetra teo amin’ny fiantsonana. Tsy vitan’izay fa nahitsiny hatrany am-pivarotana mihitsy ilay fiara. Vaky ny varavaran’ilay toeram-pisotroana, potika ihany […]
Anosibe; voasambotra i Da-Willy ilay nanolan-jaza
Tratra tao anatin’ny 24 ora nikarohana azy ilay mpanolan-jaza nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina. Simba tanteraka ilay zaza naolany. Nanaovan’ny polisy rotsak’alina, tra-tehaka teo Anosibe, omaly maraina, i Da-Willy, ilay lehilahy nanolan-jaza vao 6 taona monja. Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, nanomboka afakomaly,izy ity. Nirahiny nividy sigara ilay zazavavy kely rehefa nilalao […]