Tranga

Analakely: roa lahy mpangalatra moto naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja omaly, ireo roa lahy mpangalatra moto voasambotry ny mpitandro filaminana, tetsy Analakely. Nangalatra taxi-moto tao anelanelan’Ambatolampikely sy Malaza, fokontany Ambohidralambo, kaominina Ambanitsena izy ireo. Voaroba tamin’izany ny moto scooter 4T. Naharay fitarainana ny zandary miasa ao Carion ny ampitson’io. Nokarohina ny mpangalatra. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa […]

Fahasahiana tsotr’izao: nisy namaky ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina

Novakin’ny jiolahy ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ao Toamasina, ny talata alina teo. Tsy naka na inona na inona anefa ireo jiolahy satria tsy nisy nihetsika tamin’ny toerana ny entana rehetra… Nisy namaky omaly alina ny varavaramby roa miditra ao amin’ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Tafiditra  hatrany amin’ny […]

Misoloky amin’ny jiro mora: jiolahy nisandoka ho iraka avy amin’ny antoko TGV

Natolotra ny fampanoavana omaly, ny jiolahy iray nisoloky ho iraka manokana avy amin’ny Arena, misy ny foibe nasionalin’ny antoko TGV. Ny sabotsy 23 desambra 2023 teo no nisy olona tonga nitaraina tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Arivonimamo, momba ny fisian’ity mpisoloky gagilahy ity. Voaporofo fa ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe […]

Avy nigadra teny Antanimora: jiolahy nahatrarana basy mahery vaika

Vao avy namita sazy teny Antanimora, nahatrarana basy mahery vaika sahady ny jiolahy raindahiny iray tetsy amin’ny fokontany Soamanandrariny, kaominina Ambohimangakely, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao Ambohimangakely fa mihazona fitaovam-piadiana ny lehilahy iray. Nidina ifotony nisava ny trano fonenan’io olona voatondro io, araka izany, izy ireo. Tratra […]

Nandritra ny fetin’ny krismasy: olona efatra namono tena

Vehivavy roa sy lehilahy roa namono tena fa avotry ny mpitsabo tetsy amin’ny HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely teo. Nahitam-pihenana kosa ny antontanisan’ny olona niditra hopitaly. « Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahazakana sakafo nandritra ny fety sy ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana no tena antony nahamaro ny tranga nidiran’ny olona […]