Tranga

Ahina ho fanapoizinana: Telo mianaka niara-maty, olona enina naiditra am-ponja

Nalefa eny Tsiafahy sy Ankazondrano Fianarantsoa, afakomaly, ny olona enina ahina ho nanapoizina mpandraharaha. Tranga niseho tao Ikalamavony nandritra ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa. Vehivavy efatra niampy lehilahy roa nohazonina vonjimaika any am-ponja, afakomaly. Ahina ho voasaringotra tamin’ny fahafatesan’olona miisa telo, tao Ikalamavony izy ireo. Raha ny fanazavana avy […]

Narahin’ny olon-dratsy efa-dahy : Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny tavany

Naratra mafy voan’ny antsy nataon’ny olon-dratsy miisa efatra ny raim-pianakaviana iray tao Analatsiandry, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana Fisakana, ny alin’ny alakamisy 9 jolay teo. «Avy ni­varotra tao an-tsena i dada sy i mama niaraka amin’ny zaodahiny”, hoy ny fanazavan’ny za­naky ny lasibatra. Niala sahabo 50 metatra ny tsena ka na­nomboka […]

Ambohijanaka: Mpamaky trano tratra teny an-tanimbary

Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary teny an-tanimbary, ny mpamaky trano iray tao amin’ny kaominina Ambo­hijanaka, afakomaly. Niditra mangingina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny Antovontany io lehilahy io, ny atoandron’io alarobia 9 jolay io. Nobatainy ny fahitalavitra. Nitsorika nivoaka avy hatrany izy. Tsikaritry ny mpiara-monina ny fihe­tsik’io olon-dratsy io. […]

Nivoaka ny didim-pitsarana : Hovosirina i Da-Willy, ilay mpanolana ankizy

Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy. Niakatra teo anivon’ny fi­tsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 […]

Imerintsiatosika : Tratra ireo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra

Voasambotry ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ ny fitaovam-piadiana ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao amin’ny fokontany Tse­nakely, kaominina Imerintsia­tosika, distrikan’Arivonimamo, ny 6 jolay teo. Nitondra basy PA ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’io raim-pianakaviana mpisehatra amin’ny varotra io, ny tolakandron’ny 4 jolay ta­min’ny 1 ora. Tsy […]