Tranga

Nangala-jaza… Jiolahy iray maty voatifitry ny miaramila

Nitrangana hala-jaza indray tao amin’ny fokontany Bekinana, kaominina ambanivohitr’Ankilivalo, distrikan’i Morondava, ny 21 desambra 2023 lasa teo. Tsy hitan’ny ray aman-dreniny io zaza io ka tonga nampandre ireo miaramila ao amin’ny faripiarovana sy filaminana Tsiribihina izy ireo. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny vela-pandrika amin’ireo olona ahina ho mety ho nahavanon-doza […]

Fetin’ny Krismasy: olona 7 maty, 150 nandalo fizahana teny amin’ny hopitaly.

Fety tsy ialana loza ! Tohivakana ireo olona nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nandritra ny fetin’ny Krismasy. Olona 150 nandalo fizahana raha fito kosa ireo maty… Tatitra voaray avy amin’ny mpitsabo ao amin’ny sampana vonjy taitra eo anivon’ny hopitaly HJRA, nanomboka ny alahady sy ny alatsinainy andron’ny Krismasy (tolakandro) […]

Fanafihana taksiborosy : notanana am-ponja ireo valo voasambotra

Naiditra am-ponja vonji­maika, omaly, avokoa ireo 9 lahy anisan’ireo tompon’antoka ta­min’ny fanafihana taksiborosy tao amin’ny PK 12, tao Man­ja­kameva, Fokontany Ambali­ha, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, ny 16 de­sambra teo. Mpanakan-dalàna sy mpandroba ireo taksiborosy mifamezivezy amin’io lalam-pirenena io ireto tra-tehaka ireto. Tsy ampy taona avokoa ny telo lahy amin’ireo dahalo mpanakan-dalana […]

Ambatolampy : mpangalatra gisa naiditra am-ponja

Mpangalatra gisa roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika, tao amin’ny fonja an’Ambatolampy, taorian’ny fampanoavana omaly. Nanararaotra ny fiavian’ny andro fety,  nalain’izy roa lahy ireo antsokosoko ny gisa miisa sivy tao amin’ny tanànan’i Sahamadio, kaominina Ambohipihaonana. Tratra tao amin’io tanàna io ihany anefa ny iray tamin’ireo voalaza ho nanao ny fangalarana. Nentina […]