Lehilahy lehibe iray manodidina ny 65 taona naratra mafy nodarohan’olon-tsy fantatra tetsy Ambodin’Isotry, omaly tamin’ny 01 ora sy sasany tolak’andro. Efa nihosin-dra ny tarehy sy ny lohan’io raim-pianakaviana io vokatry ny vono nahazo azy. Nisy andian-olona nidaroka azy tampoka sy tao anatin’ny fotoana haingana be io niharam-boina io, raha ny […]
Tranga
Disadisam-pianakaviana : Vehivavy bevohoka maty voatifitra
Maty nisy nitifitra tany Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy teo, ny vehivavy bevohoka iray. Ahina ho disadisam-pianakaviana no antony namonoana azy io. Vehivavy bevohoka iray (25 taona) maty notifirin’olon-dratsy teny Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy tamin’ny 8 ora latsaka folo hariva lasa teo. Lasa nandositra avy hatrany ny nahavanon-doza rehefa avy nanao […]
Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra
Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha […]
Lonilonim-piarahamonina : Tovolahy nalaina an-keriny sy novonoina
Lasibatry ny fakana an-keriny ny fianakaviana mpandraharaha iray monina eny Iavoloha. Niafara tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo (14 taona) izany. Ny 20 jona lasa teo, nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tany Ambohitsara Manakara, 10 km miala an’i Irondro ny fiara nisy ny raim-pianakaviana iray (mpandraharaha) sy ny zanak’anadahin’ny vadiny. Tsy afa-nandositra […]
Halatra omby: Dahalo iray maty voatifitra
Dahalo iray azo sambo-belona ary iray maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny miaramila tao amin’ny kaominina Ankililoaky, distrikan’i Toliara II, ny alatsinainy 7 jolay teo. Omby miisa 19 nalain’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ankiliabo, ny alin’io andro io. Dahalo manodidina ny 15 lahy niaraka nanao ny fandrobana. Nanao fanarahan-dia avy […]





