Olona dimy indray maty tsy tra-drano, iray maty tany amin’ny hopitaly. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho teo amin’ny tetezana Estapro, kaominina Antsakoamanondro, distrikan’Ambanja, faritra Diana, omaly vao maraina. Olona roa hafa kosa naratra mafy (namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly, omaly hariva ny iray) ka nalefa any amin’ny hopitalin’Ambanja. […]
Tranga
Ambohimangakely : jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary
Maty rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy iray nanafika olona hanatitra vola 79 tapitrisa Ar any amin’ny banky. Vola an’olona mpivarotra ao Ambohimangakely no notafihan’ny jiolahy nandeha moto Scooter, raha hihazo an’Ankorondrano. Fantatra nandritra ny fanafihana fa tovolahy iray mpiasa taloha tao amin’ilay fivarotana […]
Antsapanimahazo : naterim-badiny tany amin’ny zandary ny basy
Nivoaka tao amin’ny adina mpivady ny marina rehetra momba ny fisiana basy tsy ara-dalàna notazomim-badiny tao Antsapanimahazo, afakomaly. Nifamaly izy mivady ka niafara tamin’ny daroka sy ny fifampikasihan-tanana izany. Tsikaritr’ilay renim-pianakaviana ho hafahafa mitovy amin’ny basy anefa ny fonosan-javatra tao anaty lamba namelesany azy. Nampandre haingana ny zandary ilay ramatoa […]
Intelo nokarohina ny rainy : zaza 10 taona, voatifitry ny polisy
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny zazalahy 10 taona, hoy ny havany. Ny rainy no notadiavina saingy vao nahita anay izy dia nitaratra jiro sy nitoraka famaky, hoy kosa ny polisy. Ankizilahy kilasy fahefatra (T4), maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Tanandava, distrikan’i Mahabo, ny alin’ny alarobia 20 […]
Andranomanelatra – Antsirabe: Kamiaobe nahatrarana rongony 50 kitapo
Saron’ny zandary misahana ny fifamoivoizana Antsirabe tao Andranomanelatra, omaly, ireo rongony 50 kitapo, milanja 488 kg. Niainga avy any Ankily, Ihosy ireto entana ireo ka voasakan’ny zandary tao Mahandraza Andranomanelatra, Antsirabe II (RN7 PK 147). Nafangaro tamin’ny gony an-jatony misy eladrano (mica) ireto zava-mahadomelina 50 gony ireto. Notsindrina sy nafenina […]