Mifamahofaho ny vaovao nahafatesana lehilahy iray teny Mahitsy, tamin’ny alakamisy alina. Ny zandary milaza fa jiolahy. Ny fianakaviany manambara fa tsy olon-dratsy. Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy iray voalaza fa dahalo tetsy Mahitsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 15 desambra teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary, mody […]
Tranga
Androhibe : mpanao Cash point voasoloky 800 000 Ar
Manjaka ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fampiasana telefaonina amin’izao fotoana. Mpiasa amin’ireny iray lasibatr’izany, tetsy Andrianalefy-Androhibe, ny alakamisy 14 desambra teo. Vehivavy iray nilaza nahita asa niditra tao aminy. Mandefa vola amin’ny alalan’ny finday io asa vaovao io ka nomen’ny olona tsy fantatra azy ny laharana finday maromaro. “Efa hitan’ny masonay tamin’ny […]
Anjozorobe : vehivavy roa nalain’ny dahalo an-keriny
Naka takalon’aina indray ireo dahalo mpaka an-keriny tao Ambohibary Vohilena, Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Mpamboly sy mpamongady ireto lasibatra. Mbola tsy tafaverina hatramin’ny omaly ireo olona enina lasan’ny dahalo an-keriny, tao amin’ ny tanànan’Ambohibary, kaominina Ambohibary Vohilena, distrika Anjorobe. “Mbola anatin’ny fanarahan-dia ireo dahalo tanteraka izahay amin’izao fotoana”, hoy […]
Fakana an-keriny : Jiolahy maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Anisan’ireo dahalo iray tarika amin’Iarisy nampitondra faisana tao Anjozorobe sy Ankazobe ary Ambohidratrimo. Efa namoahan’ny fitsarana taratasy fanenjehana azy ity dahalo ity. Nahazo fampitam-baovao anefa ny zandary fa miery ao Toamasinakely Beanana, distrikan’Anjozorobe ny andian-dahalo tarihin’ity maty […]
Asan’dahalo mahery vaika : noravan’ny zandary ny tanànan’Ankitikitika
Fonenan’ny dahalo sy ny fianakaviany ny tanànan’Ankitikitika. Noravan’ny zandary izany ny 10 desambra teo. Olon-dratsy roa lahy lavo, tsy hita popoka ny namany. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa lahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ankavanany sy Hamena tao amin’ny tanànan’ Ankitikitika, distrikan’i Maintirano, ny 10 desambra teo. Nitsoaka tsy […]