Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby indray tao amin’ny PK 110, Sahasinaka Fenomby, distrikan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 30 mn. Zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara (FCE) no nivadika, nivoaka ny lalamby teny am-pandehanana. Vokany, olona telo indray namoy ny ainy, ny iray maty voatsindry tao ambany lamasinina, iray […]
Tranga
Vao nivoaka ny fonja: vehivavy tratra teo am-pivarotana rongony
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, afakomaly, ireo vehivavy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina Anosy, teny Itaosy sy Ambohitrimanjaka, izy roa vavy, ny 29 janoary 2024 lasa teo. Fivarotana rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina […]
Nikendry teratany vahiny : mpaka an-keriny telo maty voatifitra
Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, jiolahy telo nikasa haka an-keriny teratany vahiny lavo teny Ambohibe, kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly alina. Nanohitra mpitandro filaminana hisambotra azy, namoy ny ainy avokoa ireo jiolahy rain-dahiny telo tratra teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahare olona niteny: Mijanonà intelo izahay tato an-trano tamin’ny 12 […]
Noho ny loza tato ho ato…: nampianatra ireo mpitondra moto indray ny polisy
Nirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Lohalaharana amin’izany ny moto. Manoloana izany, nanatanteraka fanentanana manokana tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa teny amin’ny « rond point » Ankasina, ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana na BAC (Brigade des accidents de la circulation) eny Tsaralalana. Nandray ny andraikiny manokana, araka izany, ity sampana iray […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy telo maty voatifitra
Nifamaly tifitra tamin’ny mpitandro filaminana, namoy ny ainy ny jiolahy telo lahy, tamin’ireo nanafika tao Soanarivo, kaominina Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny zandary fa nitrangana fanafihana tao amin’io fokontany io tamin’ny 8 ora alina. Nanao ny paikady hanatrarana ireo olon-dratsy ireo ny mpitandro filaminana. Nandrindra izany ny lefitry […]