Manoloana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny fokontany Andavamamba sy ny manodidina, nanao be midina ny polisim-pirenena sy ny andrimasom-pokonolona ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 18 marsa teo. Telo lahy nifanehatra tamin’izy ireo tao anatin’ny faritr’io fokontany io tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Natao fisavana, nahatrarana basy plastika kilalao […]
Tranga
Tambajotra matanjaka: Miaramila mpivarotra moto halatra, sarona
Miaramila ny iray tamin’ireo efa-dahy mpikambana anatin’ny tambajotra mpangalatra moto. Tra-tehaka teny amin’ny kaominina Talatamaty, afakomaly hariva, ry zalahy. Efa-dahy mpangalatra moto sy mpividy moto halatra niara-nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty, ny alatsinainy 17 marsa hariva teo. Nitrangana halatra moto niharo fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika tao anatin’io kaominina io, […]
Nangalatra tao amin’ny Cash point ; Jiolahy iray voasambotry ny polisy
Voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP2, omaly hariva, ny lehilahy iray, nisokitra ny sakaosy feno volabe tao amin’ny Cash point iray tetsy Ambolokandrina. Tratra teny Antohomadinika izy io noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo, taorian’ny fizarana sy fanaparitahana ny horontsary nisy ny sarin’ireo olon-dratsy, voarakitra tao anaty caméra de […]
Anosizato : Maty voatifitry ny polisy i Lavakely
Maty voatifitry ny polisy avy amin’ny UIR sy ny CUI tetsy Anosizato, ny harivan’ny sabotsy 15 marsa lasa teo, i Lavakely. Anisan’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery mampiasa sabatra any anaty fitateram-bahoaka eto an-dRenivohitra izy io, raha ny fanazavana voaray. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily, efa nanara-maso azy hatry ny […]
Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny zandary: Rava ny tambajotra mpangalatra tany
Anisan’ny laharam-pamehana ho an’ny fitondram-panjakana sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny ady amin’ny mpangalatra tany. Nahitam-bokany izany, ny herinandro teo. Nanatona ny eo anivon’ny MFFT ny sampam-pikarohana ny ady heloka bevava eo anivon’ny Zandary “Section des recherches criminelles”. Fantatra tamin’izany ny nahavoarohirohy ireo efa matihanina […]




