Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny fidinana Ambohinahasondrotra Ambohimena, kaominina Ambinanifango, distrikan’i Mandritsara, omaly alahady tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Fiara «Tracteur» iray nitondra fitaovana fanamafisam-peo an’ny mpankanto Sofia Goma na Randriatovo Yves-son Olivier io niharam-boina io. Nivarina tany an-kady misy lalan-drano ary nivadibadika ilay fiara. Maty tsy tra-drano vokatry […]
Tranga
Nanavotra ny namany: lehilahy iray hita faty tao anaty ranon’Ikopa Tanjombato
Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato ny tovolahy iray, ny sabotsy teo. Nanavotra ny vehivavy iray voalaza fa latsaka tao anaty rano izy ka tsy tafaverina intsony. Lehilahy iray 21 taona hita faty tao anaty ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 7 ora maraina teo. Tonga naka sy nampiakatra […]
Tratry ny torimaso fotsy : Namoy ny ainy ilay mpitsabo niharan-doza
Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily ny fiara tra-doza teny Ambatofolaka, anatin’ny lalam-pirenena voalohany, ny alin’ny alakamisy 19 jona teo. « Niainga avy ao Antananarivo ary nikasa hamonjy fodiana any Ampefy i Dokotera », hoy ny fanazavan’ny kaomiseran’ny polisy misahana ny fanadihadiana izay sady nanatri-maso ny loza. Nivoaka ny arabe tampoka ny fiara […]
Lakana rendrika : Olona enina namoy ny ainy
Olona dimy hita faty tao anaty ranon’Alaotra, andrefan’ny tanànan’i Vohitsivalana, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambatondrazaka, afakomaly hariva. Sendra loza teny an-dalana izy io ka rendrika. Niainga ny alatsinainy teo, avy any Ambohijanaharikely ary hihazo an’ Ampitandrefana, io sambokely io, raha ny fanazavana voaray. Niainga maraina tany Ambohijanaharikely Ambatondrazaka ary tsy tonga […]
Famosaviana teny Ambohimalaza : Ombiasy sy vehivavy roa naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin’ny famosaviana teny Ambohimalaza, tamin’ny sabotsy heriny. Olona telo naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Ombiasy iray sy vehivavy roa. Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo olona 8 mianadahy voarohirohy tamin’ny tranga famosaviana ara-tsakafo ka nahafatesana olona maro teny Ambohimalaza, ny sabotsy 14 jona […]





