Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nitam-piadiana maty voatifitry ny zandary, tetsy Ankadikely, afakomaly. Nototoin’ny jiolahy vodibasy kosa ny tompon-trano saika norobaina. Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny jiolahy roa lahy, tao amin’ny fokontany Manazary, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 2 janoary teo. Nahare antso vonjy ny mponina manodidina […]
Tranga
HJRA : 2 maty, 228 nizaha fahasalamana
Nitombo 228 ny olona tonga nozaham-pahasalamana teny amin’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny andron’ny taombaovao. Ho an’ny sampana vonjy aina manokana, tsy maintsy nampidirina hopitaly ny 46 tamin’izy ireo. 2 kosa ny maty. Roa ihany koa ireo razana avy any ivelany nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. […]
Herisetra ara-nofo: roa lahy nanolan-jaza naiditra am-ponja
Voasambotry ny polisy ny lehilahy nanolan-jaza 12 taona tao Tsaramandroso Mandrosoa, kaominin’i Soamaha-manina, distrikan’i Miarinarivo, afakomaly. Zanaky ny zaodahiny ihany no nararaotiny nanaovana ny filan-dratsiny. Nikarakara sakafo irery tao amin’ny trano fonenany ilay lasibatra, ny 28 desambra 2023 teo. Niditra antsokosoko tao an-trano ilay rangahy tsy valahara. Notereny hanao filàna […]
Akon’ny fety : olona 37 nosamborin’ny polisy
Polisy 1 985 no nisahana ny fitandroana ny filaminana manerana an’Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2023 sy ny taom-baovao 2024. Namoaka tatitra momba ny antontan’isa teo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana, tao anatin’izay roa andro nankalazana ny fety izay, ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Efatra ireo trangana vaky […]
Ady tanaty “bar” : lehilahy vaky loha, voavely tavoahangy
Naratra mafy, vaky loha, ny lehilahy tratry ny angaredona tanaty trano fisotroana. Voavely tavoahangy sy voahitsakitsaka izy. Telo lahy voasambotry ny polisy. Voasambotra afakomaly, ny lehilahy fanintelony naman’ireo roa lahy niady sy nandratra olona tao anaty “Bar”. Araka ny vaovao avy amin’ny polisy, teny Ankadimbahoaka, ny alin’ny sabotsy 30 desambra […]