Tranga

Nanohitra ilay mpamily : jiolahy iray maty voatsatok’antsy tao Toamasina

Naratra voatsatok’antsy ny mpamily Bajaj notafihin’ny jiolahy tao Toamasina, ny alakamisy 19 oktobra 2023 lasa teo. Nanohitra izy ka voatsatok’antsy koa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vokany, namoy ny ainy ilay jiolahy. Avy nanatitra mpiasa tany amina orinasa iray ao Antanandava izy tamin’io fotoana io. Voala­zan’ny loharanom-baovao fa manodidina ny 20 000Ar […]

Novonoin-dreniny : nariana tao an- dava­piringa ilay zaza

Habibiana tanteraka! Novonoin-dreniny ary nariany tao anaty lavapiringa ny zanaka naterany amam-bolana tao Imerintsiatosika, ny faran’ny herinandro teo. Notaperin’ity renim-pianakaviana iray ity ny ain-janany vao telo volana monja ny alahady 22 oktobra teo, fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika. Nariany tao amin’ny lavapiringa io zanany io. Nolazainy fa nisy nibata tao amin’ny […]

Nitsoaka zandary : maty voatifitra ilay mpangala-boamaso

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny iray tamin’ireo roa lahy nangalatra voamaso tao Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly. Niaiky heloka nataony nandritra ny famotoran’ny zandary azy io olon-dratsy io fa izy no tompon’antoka tamin’ny fanesorana ny mason’ny renim-pianakaviana roa tao an-toerana. Ny namany iray izay voasambotra niaraka taminy. Voalaza […]