Tranga

Adin’ny mpivady: lehilahy notondrahana rano mangotraka

Zava-doza! May ny filahian-drangahy sy ny tratrany ary ny tarehiny. Notondraham-badiny rano mangotraka izy tamin’ny alahady, teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriborintany fahadimy. Nivadika ho herisetra ny adin’ny mpivady, monina eny Andrianalefy, fokontany Androhibe, ao anatin’ny boriborintany fahadimy, tamin’ny alahady tolakandro teo. Notondrahan’ilay renim-pianakaviana rano mangotraka ny vadiny, nandritra ny fifamaliana. […]

Soavinandriana : dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka

Niara-matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Am­bohipeno, fokontany Maha­zina, kaominina Ankisabe, distrika Soavinandriana, ny alakamisy 19 oktobra teo. Nentin’izy telo mirahalahy ireo ny omby iray tao amin’io fokontany io. Nanara-dia tamin’izany ny fokonolona nampian’ny miaramila. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy kosa ny zandary. La­tsaka afovoany ireo […]

Hetsiky ny kandidà 11 : voasakan’ny mpitandro filaminana

Tsy vita hatramin’ny farany ny diaben’ny 11 kandidà, omaly. Nifarana tetsy Mana­kambahiny izany raha nikasa ny ho any Tsimbazaza izy ireo. Tsy mbola vita ny kabarin’ireo mpitarika ny diabe, nisy mpitandro filaminana marobe nandrava ny hetsika teny an-toerana. Tsiahivina fa tokony teny Bel’Air ny fotoanan’ireto mpanao fihetsiketsehana ire­to, saingy efa […]

Fakana an-keriny : ankizy roa lahy avotra

Notazonin’ny dahalo nanomboka ny 12 oktobra teo, avotry ny zandary ny ankizy roa lahy tao Antsiafabositra, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy an-keriny tao amin’io tanàna io ireo ankizilahy 9 taona sy 14 taona ireo. Nohazonin’ny mpaka takalonaina izy mirahalahy ireo ary notakina vola an-tapitrisany tamin’ny fianakaviana. Nanao ny […]