Tranga

Arivonimamo: dahalo raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo ikoizana amin’ny halatra omby tao Ampanazava, fokontany Antsampandrano, kaominina Amboanana, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny niaraka tamin’ny dahalo efa-dahy ka nanaovan’ny mpitandro filaminana fikarohana nanomboka ny 20 septambra lasa teo. Sarona ny iray ka efa namita sazy any am-ponja.  Namoahana didy fikarohana kosa ireo […]

Fifandonana mahery vaika: zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Zandary mpiana-draharaha iray maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana mahery vaika, tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina  Ankaraobato,  distrika Marovoay, ny alin’ny alakamisy 12 hifoha ny zoma 13 teo.  Nanara-dia dahalo mpangalatra omby niaraka tamin’ireo namany ity zandary ity. Nitondra fitaovam-piadiana koa anefa ireo olon-dratsy. Nandritra ny sakoroka, voatifitr’ireo tsy […]

Hetsika politika: nifampidaroka ny samy mpitolona

Nifandona teny an-kianja ny mpomba ny kandidà laharana fahatelo sy ireo kandidà mpanohitra ny fifidianana. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Nafana ny fifandonana teny Ampasampito, omaly. Nifampikasi-tanana ireo olona tsy mitovy hevitra teny an-toerana. Ny andaniny avy amin’ny mpomba ny kandidà 11, ny ankilany ireo   manao fampielezan-kevitra hanohanana ny […]

Nidaroka zana-bady : renikely nahavanon-doza, naiditra am-ponja

Voatana vonjimaika any am-ponja ny renikely iray nidaroka ka saika nahafaty zaza roa taona latsaka, tao Amba­lamanasy C2, Toamasina, afakomaly. Efa fanaon’io ramatoa io ny mamono tsy am-piheverana an’io zazakely io, raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Matetika nianjadian’ny fampijaliana izy rehefa tsy eo ny rainy. Nofelahan’io renikely io indray ilay zaza […]

Oniversite Ankatso: nitokona ny mpianatra, raikitra ny tora-bato

Nanatanteraka fitokonana ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Ankatso, omaly. Notorahan’izy ireo vato ny teny amin’ny manodidina. Tezitra mafy ireo mpianatra mandranto fahalalana eny amin’ny oniverste Ankatso, omaly. Nisy ny tora-bato sy fandoroana kodiarana. Tsy navelan’izy ireo hiakatra any amin’ny faritra misy fampianarana ireo olona rehetra teny tamin’izany. Raha ho fintinina ny […]