Tranga

Lozam-pifamoivoizana : vaosambotra ilay mpitondra posy namoa-doza

Voasambotry ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana ilay mpitari-posy namoa-doza tao amin’ny Boulevard Ralaimongo, 500 metatra tsy hidirana ny vavahady lehiben’ny seranantsambon’ i Toama­sina, ny alakamisy 30 novambra  teo, tamin’ny 6 ora sy 45 minitra. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fitandreman’io mpamily posy io ny raim-pianakaviana iray 68 taona. Nahitana […]

Tetezan’i Bekiraro : tovolahy voatsatoka antsy teo amin’ny lohany

Tsy misy filaminana mihitsy ! Nitrangana fanendahana indray teny Tetezan’i Bekiraro Isotry, omaly maraina. Tovolahy iray 25 taona handeha hiasa vao maraina no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy sy sabatra. Mpikirakira informatika ny asan’ity tovolahy niharam-boina ity ka lasan’ireo mpanendaka ny kitapo misy ordinatera miampy kojakoja samihafa tao anatiny. Efa […]

Halatra taolam-paty: dimy lahy voaheloka mandra-pahafatiny

Nasiaka ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana momba ny raharaha ady heloka bevava ny afakomaly, tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina. Dimy lahy voaheloka higadra mandra-pahafaty noho ny raharaha halatra taolam-paty. Nilatsaka ny fanamelo­hana asa an-terivozona mandra-pahaty ho an’ ireo dimy lahy tompon’antoka tamina halatra taolam-paty, araka ny antontan-taratasin’ ady roa samihafa. […]

Maro ireo efa voafitaka…: tratra ireo jiolahy milaza ho mahay mampitombo vola

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Toamasina, omaly, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fisolokiana olona ao Soanierana Ivongo. Milaza ho mahay mampitombo vola sy mampanan-karena olona ry zalahy ireto. Mody mifampiresaka amina fanahy tsy hita maso ireto mpisoloky mba hampitomboana ny vola tadiavin’ireo olona solokiany. Miantso olona solokiany amina finday ry […]

Maevatanana: Jiolahy namaky tranona zandary

Jiolahy iray maty voatifitra rehefa niditra tao amin’ny faritry ny tranon’ny zandary iray miasa ao Maevatanana, afakomaly alina. Fantatra, araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary, fa trano roa no notafihan’izy ireo tamin’io alina io ka anisan’izany ny tranona zandary iray io. Henon’ilay mpitandro filaminana anefa izany ka voatifitra avy hatrany izy. […]