20 taona an-tranomaizina ny sazy azon’ilay mpamily nahavanon-doza namono an’i Ntsoa VHF, taorian’ny didim-pitsarana tetsy Anosy, omaly. Tsy afa-bela tamin’ny raharaha famonoana an’i Ntsoa VHF, ny sakaizany sy ilay mpamily fiara. Nandray anjara mivantana tamin’ny fanaperana ny ain’io mpanakanto io izy roa ireo. Atidoha nikotrika ny famonoana an’i Ntsoa ny sakaizany ary namono […]
Tranga
Bemanonga – Morondava : dahalo roa maty voatifitry ny miaramila
Nitrangana fanafihan-dahalo maherin’ny 50 lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, Kalachnikov sy Mas 36, tao amin’ny fokontany Ankijabe, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny talata teo. Lasan’ireo malaso nandritra izany ny omby manodidina ny 200 tao amina tokantrano iray tao amin’io fokontany io. Nitsoaka avy hatrany ireo dahalo nandroaka ny omby […]
Maherifody : lehilahy iray maty nihotsahan’ny tany
Namoizana ain’olona iray indray tao amin’ny kariera ao Analangavo, fokontany Maherifody, kaominina sy distrikan’ Antalaha, afakomaly. Nahazo fampandrenesana tamina loharanom-baovao iray ny zandary ao amin’ny borigadin’Antalaha momba ny fisiana olona nihotsahan’ny tany ao amin’io toeram-pitrandrahana io. Fantatra fa telo lahy izy ireo no teo amin’ity toeram-pitrandrahana vatosoa ity kanjo nihotsaka […]
Famonoana ilay “transitaire” tao Toliara: telo mianadahy naiditra am-ponja, lehilahy iray karohina
Roa lahy sy vehivavy iray niara-naiditra am-ponja, omaly, momba ny vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara, ny 16 oktobra lasa teo. Mpiara-miasa amin’ ilay lehilahy “transitaire” maty novonoina tao an-tranony ihany ny iray amin’ireo tompon’antoka nahavanon-doza tao Besakoa, Toliara. Nahatraran’ny mpitandro filaminana vola an-tapitrisany tao amin’io lehilahy voasambotra […]
fitaovam-piadiana : Atrikasa momba ny fiparitahany
Tsapa ankehitriny ny hamaroan’ny fivezivezen’ny basy tsy ara-dalàna amin’ireo toerana maro eto Madagasikara. Heverina ho antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao, izany. Mananosarotra ny fanaraha-maso azy ireny koa ny tsy fanavaozana ny taratasy ahafahana mitazona azy ara-dalàna. Hifehezana izany rehetra izany indrindra no antony nanatanterahina […]