Tratra tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ny lehilahy iray teratany Sri-lankais saika hanondrana vovo-bolamena 4 kilao, afakomaly. Saika haondrany hivoaka an’i Madagasikara, ho any Dubai, izany kanjo izao tratra izao. Nafeniny tao anaty “rice cooker” izay nentiny ireo vovo-bolamena ireo. Nozarazarainy sy notsinjarainy tao anaty harona plastika miisa efatra. Nofonosiny […]
Tranga
Anosizato : Maty voatifitry ny polisy i Dinabe
Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina. Manoloana ny asa fanendahana miharo fandratrana olona eny amin’ny manodidina ataon’ireo jiolahy, nanao fisafoana tanaty elanelan-trano ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR). Nifanehatra tamin’ireo mpandroba avy nanao asa ratsy izy ireo. sarona teo am-pizarana […]
Fisiana entona hafahafa : Mpiasan’ny Apipa efatra maty tao anaty lakandrano, tetsy 67Ha
Maty sempotry ny entona mahafaty tao anaty lakandrano ambanin’ny tany, tetsy 67Ha, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina, ny mpiasa efatra mirahalahy eo anivon’ny Apipa. Namoy ny ainy tao anaty lavaka izy ireo rehefa tsy nahazaka ilay entona. Nanadio lakandrano tetsy 67Ha ny dimy mirahalahy eo anivon’ny Apipa, ny asabotsy teo. […]
Lohan’olona efa simba hita tany Manampisoa : Lehilahy ahina ho nisy namono tany Antohobe
Lohan’olona iray no hitan’ ny mpandalo nisy nanary tany amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Ambano, distrikan’Antsirabe II, ny alarobia tamin’ny 4 ora tolakandro teo. Efa tsy nisy nahafantarana azy intsony ho lohan’iza io satria efa tsy nisy nofo sy tsy nisy volo intsony. Tombanana ho efa ho iray volana mahery ny […]
Tsimbazaza Andohamandry : Lehilahy tratra nangalatra Kaontera
Tratra teo am-pangalarana Kaontera an’ny Jirama tao an-tokantranon’olona, tetsy Tsimbazaza Andohamandry, ny lehilahy iray, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nangina ny tanàna, niditra antsokosoko tao an-tokantranon’olona ity olon-dratsy ity. Nihevitra fa tsy hisy olona tao an-trano ka tsy nisalasala izy niditra. Tsikaritry ny renim-pianakaviana iray tao an-trano anefa ny nidirany […]





