Naiditra eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point teny Ambohibao Antehiroka. Niatrika fampanoavana, omaly, voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy ireo telo lahy tompon’atoka tamin’ny fanafihana Cash point. Nitrangana fanafihana nataona jiolahy efa-dahy tao Antanetibe, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny zoma 24 janoary teo. Nandrasan’ireo olon-dratsy […]
Tranga
Arivonimamo : Lavo ireo jiolahy raindahiny roa lahy
Ravan’ny zandary ny jiolahy raindahiny roa lahy, malaza amin’ny fanafihana mitam-basy sy fitaovana maranitra ao amin’ny kaominina ambonivohitra Imeritsiatosika, omaly. Lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta izy ireo. Hita nandritra izany koa ireo basy vita gasy sy rongony nampiasain’izy ireo rehefa manafika. Voasambotra […]
Antsirabe II : Maty ilay lehilahy potsitry ny kamiao
Maty teo noho eo ny lehilahy iray noteren’ny kamiao tao Ambano, kaominina Antsirabe II, ny talata 28 janoary tolakandro teo. Miara-miasa amin’ny mpamily io lehilahy io. Nanodina ny fiara anefa ny mpamily. Nanao ny asa fanaony izay nitarika sy nanoro ny mpamily amin’ny maha mpamily mpanampy azy io lehilahy io. […]
Fandehanana mafy tamin’ny moto: Namoy ny ainy ilay miaramila tra-doza teny Anosiala
Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny alin’ny talata 28 hifoha omaly alarobia, namoy ny ainy omaly, ilay miaramila tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Anosiala. Voadona mafy tamin’ny faritry ny lohany. Tsy tana, omaly, ny ain’ilay tafika kilasy faharoa niharan-doza tamin’ny moto teny amin’ ny RN4, PK28+250, fokontany Ankazo, kaominina Anosiala. […]
Antehiroka: Lehilahy hita faty tao anaty dobo filomanosana
Namoy ny ainy tao anatin’ny dobo filomanosana anatin’ny tokotanin’ny olon-tsotra ny lehilahy iray tao Antanetibe, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, ny 27 janoary teo. Nahatazana olona nihaodihaody tao amin’ ny tanànany ny tompon-trano ny alin’io andro io, tamin’ny 7 ora sy 40 minitra. Tsy nanao akanjo, nivezivezy teo amin’ny faritry ny […]




